Iny hono izy ravorona

2014-03-19 @ 14:18 in Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Te hizara ity kanto ity aho androany. Fijery avy eny ambony, eny amin'ny habakabaka, rehefa baben'ny voromahery ianao. Amin'ny tantara an-tsary no mahita izany fa lasa zava-misy tokoa ilay izy rehefa nasiana fakantsary tao amin'ny lamosin'ny voromahery iray. Ny maha samihafa azy amin'ny "drone" fampiasan'ny olona dia satria ilay voromahery tsy misy mibaiko-lavitra avy ety ambany fa izay tiany aleha no aleha... afaka mandeha lavitra, fa izany hoe mila voromahery efa mahalala tompo.

Indro ary ny horonantsary mirakitra izany. Araka ny filazan'ny naka azy dia tany Chamonix (France) no nalaina ny sary.

 

Fihirana Katolika amin'ny IOS (iPhone)

2014-03-17 @ 10:18 in Blaogy Dev, Finoana sy Fivavahana

Efa herintaona mahery izay no nivoaka ny Fihirana Katolika amin'ny Android, efa an'arivony no mampiasa azy. Betsaka nefa ny antso sy ny hafatra tonga taty amiko ny mba hanamboarana ny fihirana katolika ho an'ny iPhone sy iPad ihany koa. Araka ny efa nolazaiko hatramin'izay dia tsy  maintsy amin'ny ordinatera Macintosh vao afaka manamboatra "app" ho an'ny iPhone na iPad. Noho ny mbola tsy fahafahako manana Mac (teneno aho raha misy hanome fanomezana) dia aleo havoakako eto ny "structure"-n'ny "base de données" ampiasaiko ka izay vonona hanamboatra app dia afaka manao izany.

Ny structure ihany no avoakako ka rehefa vonona ilay app dia afaka mangataka aty amiko ny données feno izay nanamboatra azy. Marihina fa mila arahina ilay structure mba hahafahana manome ny "mises-à-jour" rehefa misy fanitsiana amin'ny hira.

Alaivo eto ny SQL: Fihirana_katolika.sql 

Alaivo eto ny Diagramme: Fihirana Katolika.png

Fahafinaretan'ny fitiavana

2014-03-15 @ 17:50 in Eritreritra mandalo

Eh oui (hoy ny Frantsay) - Misokatra ny fonosana - Fa ny Frantsay tokoa aloha misy fihetseham-po bebe kokoa noho ny Italiana e. Raha tsy izany koa ve moa hisy ny oroka frantsay nefa tsy misy ny oroka italiana - Mihidy ny fonosana - Sendra mba lasalasam-borona androany dia nitendritendry ilay hoe "Plaisirs d'amour" izay midika amin'ny teny malagasy hoe "Fahafinaretan'ny fitiavana". Hira frantsay izy ity izay nantsoina koa hoe "La Romance du Chevrier" (Jereo eto ny fanazavana misimisy). Kay rehefa tena dinihina ny ao anatiny dia (tohiny)

Malagasy voafitaka

2014-03-14 @ 16:12 in Fiaraha-monina

Tandremo sao voafitaka ianao fa heno izao fa efa Malagasy maro no voafitaka tsy misy indrafo, lehilahy no ankamaroany, ary rehefa tratrany dia mijafajafa mihitsy. Tsy Malagasy ihany fa ny vazaha koa indrindra indrindra. Amin'ny voalohany aloha ianao ampisehoany zavatra mbola tsy hitanao mihitsy toa tena mahaliana kay fitaka... (Teny fampidirana fotsiny io mba hiseho eo amin'ilay teny famintinana any amin'ny facebook)

Fitaka voalohany.  (tohiny)

Herin-taona naha Papa an'i Fransoà

Herin-taona androany tokoa izay no naha-Papa an'i Papa Fransoà. Tamin'ny herintaona tahaka izao, raha teny Vatican teo amin'ny tany malalak'i St. Pierre aho, dia nahatsapa teny amin'ny endriky ny olona fanontaniana be dia be nony voatonona tamin'ny "Habemus Papam" ny anaran'i Bergoglio. Ny teo amin'ny manodidina anay aloha tsy nisy nahazo antsaina fa niezaka nifanontany. Ary nony nahafantatra hoe kardinaly avy any Argentine ilay Papa vao lany dia sady nitaintaina no nanantena. Ho toa inona ity Papa ity. (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Martsa 2014 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry