Akon'ny vakansy 2012

2012-08-17 @ 13:34 in Serasera.org

Tato ho ato aho tsy nanoratra teto. Mbola nisalasala aho hoe hotohizako toy ny taloha ve sa hovaina ny zavatra hosoratana. Matetika mantsy dia zavatra mikasika ahy manokana, ny zavatra ataoko, ny zavatra mahaliana ahy no tena soratako... ary tsy dia nivakiako loha na mahaliana ny hafa na tsia. Amin'izao dia miha betsaka ny mamaky (na mahavaky) ny blaogiko. Misy ny olona tsy fantatro akory, misy ny tsy ho liana mihitsy amin'izay hosoratako, dia nieritreritra aho hoe sao dia tokony hovaina ny zavatra hosoratana sy ny fomba fanoratra azy? Sao dia tokony hovaina ny fiteny sy ny endriny? Dia niverenako novakiana ny lahatsoratra sasany nosoratako toa ity hoe I'd rather be a blogger ity ny eritreritra mandalo (ato) rehetra dia tapakevitra indray aho hoe hotohizana toy ny taloha ihany ny blaogy. Resaka ankapobeny manokana na tsia... misy rahateo ny sokajy azo ametrahana azy. Izay azo raisina dia raisina, izay tsy azo raisina dia raisiko :-)

Tatitra fohifohy, ho ahy ihany any aoriana any indrindra indrindra, momba ny vakansy tamin'ity 2012 ity. Toa nampidiriko teto hatrany mantsy ny tatitra vakansy isan-taona. 

Nanapa-kevitra izahay tamin'ity indray mitoraka ity fa hianavaratra dia hitondra fiara. Any Frantsa aloha no mbola tanjona satria voafetra ihany ny lafiny rehetra. Dia namboarina tamin'ny google maps ny làlana. Notadiavina amin'izay ireo namana serasera any amin'ny toerana noeritreretina haleha. Tapaka ary fa handalo Livorno (Italie), Nice, Lyon, Paris, Grenoble, Genova (Italie) mandritra ny vakansy. Eo amin'ny 3000 km eo ny fitambaran'ny mandroso sy miverina ary 15 andro no vinavina. Noferana hatrany ho 500km isanandro eo ho eo ihany no hatao satria izaho irery no mitondra fiara. Ny tena tanjona rahateo dia ny mba ho afaka mitsidika sy manararaotra ny tanàna andalovana sy itobiana fa tsy hanenjika be fotsiny ho tonga any amin'ny toerana hitodiana (oh hitobiana sy hitodiana, litera iray dia lasa samihafa be ny dikany... http://rakibolana.org). Niova tsikelikely teny an-dàlana anefa ilay vinavina ka toa izao ny dia farany naleha. Roma - Livorno - Nice - Lyon - Paris - Molsheim - Desenzano del Garda - Rome

Lalana naleh

Niezaka nijanona sy naka sary tao Firenze, Pisa, Genova, Monaco, Cannes, Strasbourg

Ny zavatra tsapa tamin'ny akapobeny:

- Mora ny solika any Frantsa. Latsaky ny 1,40 Euro foana no nividiananay ny gazoaly. Aty Italia anefa dia 1,70 Euro no farany ambany.

- Mora koa ny sakafo amin'ny ankapobeny any Frantsa, mazava ho azy vokatry ny solika, satria ny vary ohatra dia 1 euro eo ny basmati... ny vary tsotra dia  latsaky ny 1 euro.

- Mora ny autoroute any Frantsa. Avy ao Paris nandeha Molsheim izahay dia tsy nandeha autoroute fa nandeha RN4... dia gaga fa mitovy hatsara sy habe amin'ny autoroute A24 aty italia ilay izy (deux allées) ary afaka mandeha 110km/h eny an-dàlana nefa tsy mandoa vola. 

- Lafo ny autoroute any Suisse raha mandeha indray mandeha fotsiny. Hafakely ny fombandry zareo satria dia 35 Euros eo ho eo no aloa dia manan-kery mandritra ny herintaona. Raha indray mandalo ao Suisse fotsiny izany ianao mandritra ny taona dia voa mafy, fa raha mivezivezy dia mahazo tombony. Izahay anefa indray nandalo fotsiny, nandoa 40 euros dia namerenany 4 Francs suisse (tsy ilaina eo amin'ny fiainana lol)

- Lava kokoa ny andro any avaratra any noho ny aty Italia. Amin'ny 9 alina no milentika ny masoandro tamin'ny fotoana nandalovanay.

- Tsy dia misy an'ilay fiverenan-dàlana akaiky (inversion de marche izy aty Italie) ny autoroute any France. Raha sendra very ianao dia tsy maintsy any amin'ny tanàna manaraka vao mivoaka dia miditra indray (mandoa vola)

Nony tafaverina teto an-trano dia nahavita 4600km ny fiarakodia... dia nisy maromaro ihany koa ny vola lany :-)

Famintinana an-tsary:

                   

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry