Un Cornetto E Un Latte Bianco... Per Favore

hery 21 Oktobra, 2009 10:45 Eritreritra mandalo Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa nolazaiko moa? Rehefa miditra ery ambaravaran'ny bar aho amin'izao -- eny, miditra bar daholo ny olona aty fa ankoatry ny toaka dia misy zavatra hafa koa ny bar. Dité, café, mofo, sigara, siligaoma, lotto... tonga de eritrereto otran'ny episerian'i Ra-betsy ao Ampandrana antsinanana misy soratra hoe 3é catégorie 3é classe -- dia tonga dia miantsoantso ilay sipakely mpivarotra hoe "Latte bianco e un cornetto". Satria lasa kil mafana fo ao aho fa etsy ampitan'ny birao ilay izy. Mba zavatra tsara hitako tsy matetika io (tsy ilay Latte bianco e un cornetto fa ilay fandraisana) satria tsy dia betsaka ny italiana no tsara fandray vahiny miloko.

Mambra amin'ny cornetto (= croissant) sy latte bianco (=ronono tsotra tsisy nin nin) aho izany amin'izao... 


Izay Folo Taona Izay

hery 08 Oktobra, 2009 22:49 Serasera.org, Eritreritra mandalo Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia naverimberina tetsy sy teroa fa feno 10 taona ny serasera. Dia nanao hetsika be na ny taty Eoropa na ny tany Dago tamin'ny 2 sy 3 oktobra teo ho fanombohana ny fankalazana. Nahafinaritra daholo ny fankalazana. Ambondrona no tao Parisy, Vontovorona ny tany Madagasikara. Fa tsy ho hay ny tsy hanao jery todika fohy dia fohy... tsy dia mpijery todika tokoa aho fa mpibanjina ny eo anoloana.

 (tohiny)

Ravalo - Zafy - Ratsiraka - Andry TGV

hery 04 Aogositra, 2009 17:18 Eritreritra mandalo, Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raha tena raikitra ny fihaonana any Maputo rahampitso, fa tsy hanao tahaka ny tany Antanimena indray i Andry TGV sy Ratsirahonana, dia mety ho betsaka ny surprise. Ny atahorana dia efa mitondra ny heviny tsy azo ovaina ny tsirairay dia tsy hanaiky izay zavatra mety hivoaka avy ao mihitsy ka tsy mifanaraka amin'ny heviny. Na izany aza anefa dia azo atao ihany ny tombatombana, ka izao no eritreretiko. Raha tena misy ny dinika dia tsy maintsy hiafara amin'ny zava-baovao. Teteza-mita vaovao mantsy no hany eken'ny vondrona iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao. Koa raha manaiky ny HAT sy Ravalo dia mety ho tonga ny teteza-mita iarahamitondra. Eo indrindra anefa no olana satria tsy maintsy hampidirina antsehatra i Zafy sy i Ratsiraka. I Ratsiraka moa mety tsy hiady ny hitondra intsony fa hangataka ny aministie (ho azy sy ho an'ireo namany) no tena ho tanjony mba hahafahany maka aina any Madagasikara. I Zafy indray dia manana ny atout rehetra hiverenany eo amin'ny fitondrana satria izy no tsy mba voarohirohy tamin'ny resaka vono olona sy gadra politika. Resaka tsy fahaiza-mitantana izay azo arenina tsara no nahavoa azy. Ny mety ho zava-baovao izany dia ny fisian'ny HAE vaovao izay i Zafy no hitondra azy. Amin'izay fotoana izay dia samy miomana amin'ny fifidianana ho avy i Rajoelina na izay tohanany sy i Ravalo ary ireo kandidà hafa, i Ratsiraka kosa afaka hody sy hanomana ny kandidà-ny.

Vinavina ihany izany fa dia aleo ny rahampitso no hanambara azy.


Ny Seraserako Maraina

hery 27 Jolay, 2009 10:45 Serasera.org, Eritreritra mandalo Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Angamba tsy dia mahaliana anareo fa toa izao ny zavatra ataoko isaky ny manokatra ordi maraina aho. Mazava ho azy vao misokatra ny ordinatera-ko dia ny site serasera.org no jereko voalohany. Tsy nataoko tonga dia misokatra satria matetika ato ampiasana aho no manokatra internet vao maraina, ka soratana mihitsy. Amin'izao moa efa natambatra ao amin'ny http://serasera.org ny famintinana ny zavatra vaovao rehetra ao amin'ny serasera ka manao jery tamba-be azy rehetra hatrany ambony ka hatrany ambany aho aloha. Fa anisan'ny jereko sy manintona ahy ilay hoe "Tononkalo vaovao" ery ambany havanana ery, izay misy ny tononkalo vao tonga. Tsy maintsy voasintona hamaky tononkalo eo foana aho. Manokatra tononkalo anakiray dia avy eo miverina mamaky ny tononkalo hafa. Indraindray mahavita mamaky tononkalo hatramin'ny 10 aho (ilay hoe tononkalo be mpitia eo amin'ny http://vetso.serasera.org) vao mijanona.

Eritreritra nandalo fotsiny... hilazako hoe mamaky tononkalo aho :-p

 


Milamina Sa Haolo Ny TanĂ Na?

hery 13 Jolay, 2009 10:05 Eritreritra mandalo, Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny teny voalohany saika hanombohako an'ity lahatsoratra ity dia hoe "Mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara"... kanefa tsy izay indray no ampiasaiko satria manjary lasa fihetseham-po fotsiny ilay izy. Satria toa tsy mampalahelo ny toe-draharaha ao Madagasikara... tsy misy olona mampalahelo tsy miantso vonjy izany mantsy. Ka andao atao hoe milamina ny tanàna... na farafaharatsiny mandrimandry manan-draharaha.

 (tohiny)

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)