Efa herintaona mahery izay no nivoaka ny Fihirana Katolika amin'ny Android, efa an'arivony no mampiasa azy. Betsaka nefa ny antso sy ny hafatra tonga taty amiko ny mba hanamboarana ny fihirana katolika ho an'ny iPhone sy iPad ihany koa. Araka ny efa nolazaiko hatramin'izay dia tsy maintsy amin'ny ordinatera Macintosh vao afaka manamboatra "app" ho an'ny iPhone na iPad. Noho ny mbola tsy fahafahako manana Mac (teneno aho raha misy hanome fanomezana) dia aleo havoakako eto ny "structure"-n'ny "base de données" ampiasaiko ka izay vonona hanamboatra app dia afaka manao izany.
Ny structure ihany no avoakako ka rehefa vonona ilay app dia afaka mangataka aty amiko ny données feno izay nanamboatra azy. Marihina fa mila arahina ilay structure mba hahafahana manome ny "mises-à-jour" rehefa misy fanitsiana amin'ny hira.
Alaivo eto ny SQL: Fihirana_katolika.sql
Alaivo eto ny Diagramme: Fihirana Katolika.png

Mba hahafahanao manana toerana manokana amin'ny internet tsy miankina amin'ny anarana hafa (ohatra hoe facebook na google sns) fa anarana tianao sy fidinao manokana dia tsy maintsy manana ilay hoe "Anaram-bala" ianao (nom de domaine). Ny blaogy.com ohatra dia anaram-bala iray ary ny hery.blaogy.com dia zanak'anaram-bala na zana-bala iray (sous domaine). (tohiny)
Alohan'izany aloha dia hitako fa misy fomba tsara mba hahafahana manohy manoratra lahatsoratra amin'ny blaogy matetika. Amin'izao mantsy manjary varian'ny "microblogging" toy ny twitter sy ny status ao amin'ny facebook na Google+ dia tsy mahavita manoratra lahatsoratra lavalava intsony. Matetika ny ankamaroan'ireny dia teny fohy manambara zava-mitranga iray. Ny an'ny sasany aloha dia famintinana amin'ny andalana vitsy ny lahatsoratra efa voasoratra. Fa ny ahy matetika dia eritreritra mandalo mihitsy. Ka ataoko fa azo atao tsara indray ny mamelabelatra sy mandalina iny ho lahatsoratra lava sy lalindalina kokoa. Mazava ho azy fa raha vita ny manao lahatsoratra iray isaky ny eritreritra mandalo iray dia ny fotoana hamakian'ny olona azy indray no tsy hisy :-)
Fa ny zavatra tena tiako holazaina amin'ity lahatsoratra ity dia ny momba indrindra ny fitehirizana ny lasa amin'i Facebookk sy Google. Efa nolazaiko teto ihany hoe raha misy lahatsoratra na zavatra mahaliana anao ao amin'ny rindrinao ao amin'ny Facebook dia very any iny afaka fotoana ela. Ohatra fotsiny hoe ny resaka nandeha momba an'i Kemba tamin'ny 2009, ny reactions-n'ny tsirairay, ny zavatra natao tamin'izany dia tsy hita hoe aiza ao amin'ny facebook no hahitana azy. Tsy misy fomba tsotra hiverenana amin'izany ao. Dia hohadinoina ve ny lasa?
Ao amin'ny Google+ indray, amin'ny maha tompon-daka an'i Google amin'ny resaka fitadiavana dia azo tadiavina ihany ny zavatra napetrakao taloha. Izany hoe mila fantatra fotsiny ny zavatra tadiavina dia asehony ao. Eto izany dia farafaharatsiny, raha nampiasa Google+ ianao fa tsy Facebook tamin'ny fotoana nisian'ny fihaonan'ny serasera teto Roma dia ho hitanao ihany ny tantara sy sary afaka 5 taona... fa tsy maintsy fantatrao hoe nisy ilay fihaonana serasera dia iny no tadiavinao.
Raha mieritreritra ny mbola hiverina amin'ny lasa izany dia tsara kokoa ihany ny mampiasa G+ noho ny FB. Tsy misy amin'ireo anefa ahafahanao mijery, ohatra hoe, inona daholo ny zavatra nosratano tamin'ny 2007. Dia eo no miditra ny tanjaky ny blaogy. Ny blaogy mantsy amin'ny maha fitaovana manaraka ny fotoana azy (chronologique) dia milahatra arakany daty ny lahatsoratra. Misy sokajy sy lohahevitra ao saingy araka ny daty aloha ny filaharana. Mora ho anao izany ny miverina amin'ny lasa. Mety ho gaga aza angamba hoe "hay ve nanoratra toa izany aho taloha" raha nanoratra. Misy fotoana aho mamerina mamaky ny blaogiko sy mijery ny zavatra nosoratako dimy taona lasa dia hitako hoe misy fomba fijery hafa sy hevitra hafa.
Koa amiko dia mbola fitaovana mahomby sy tsy misy mahasolo azy aloha ny blaogy. Sady azo atao foana, tahaka ny ataoko, ny mizara amin'ny G+ na Fb ny zavatra voasoratra ao amin'ny blaoginao.
Mety mahaliana anao: Inona no misakana anao tsy hi-blaogy
UPDATE: (Jereo ery ambany fa ampiako ihany ity lahatsoratra ity mandra-pilamin'ny blaogy)
Nohavaozina hampiasa ny voatra farany (version 1.2.11) amin'ny lifetype ny blaogy.com. Ho an'izay tsy mahalala moa dia ilay fitaovana hoe LifeType no mamelona ity blaogy.com ity hatramin'ny voalohany. Misy ny fanovana vitsivitsy izay nataoko mba hampifanaraka azy amin'ny serasera. Mety hisy olana tsindraindray vokatr'izao fampiakarana azy amin'ny voatra vaovao izao koa lazao ihany raha toa sendra mahita ianareo.
Raha ny tokony ho izy dia tsy miova intsony ny daty rehefa ahitsy ny lahatsoratra.
Tokony malakilaky kokoa ihany koa. Mampiasa "memcached" indray mantsy amin'ny fitantanana ny hafainganana.
Mandeha tsra koa ny fampidirana sary

02/02/2011 08:24.
- Tokony efa ho tafiditra daholo amin'ny solonanarana sy tenimiafina ampiasainy ao amin'ny serasera.org ny tsirairay.
- Efa mandeha toy ny teo aloha koa ny emoticons

02/02/2011 09:01.