Nanandrana nanao ny fomban'ny touristes tonga teto Rome izahay nony niverina androany. Nony niala teny amin'ny avion teny Ciampino dia niaraka tamin'ireo touristes rainiboto maromaro satria tany Allemagne tsinona no niala. Dia noezahinay tsy notsaroana mihitsy hoe efa teto Rome izahay no nipetraka fa toy ny hoe tanana vaovao hanaovana vacances indray koa Rome. Dia inona no zavatra tsapa?
(tohiny)
Aty Strasbourg indray no fitobiana manaraka amin'ity vakansy efa hifarana ity. Aty amin'i lanto sy jm izay miandraikitra manokana ny radiovazogasy.com. Ny fandaharam-potoana? Hanao re-install-n'ny serveur-n'ny radio. Mise à jour-n'ny fitaovana fandefasana azy. Fanatsarana ny resaka fangatahana hira. Fanamboarana ny resaka dedicaces... oups, dia milomano sy mijery tanàna sy ny sisa koa tsy adino :-) (tohiny)
Vokatry ny fanomezana avy amin'ny gmail.com dia manana adiresy miendrika [email protected] 500 izay atolotra ho an'ireo namana izay mangataka izany ny serasera.org.
Raha toa ka tianao ny hanana adiresy [email protected] (ny solonanarana dia ilay solonanarana fampiasanao eto amin'ny serasera.org) dia fenoy ny fangatahana tsindrio eto (Mila mampiditra solonanarana sy tenimiafina namana.serasera.org) . Alohan'izany anefa dia vakio ny tolotra sy ny fepetra. (tohiny)
Nahazo Dedibox iray izany RVG. Toa izao avy ny zavatra momba izany. Apetrako ato ny sombiny sao mety hanampy. Niandry efa ho 15 jours aloha vao disponible ny serveur. Niandry ny verifications isan-karazany.
(tohiny)
Tsy haiko na naninona aho androany fa niverina tampoka ny tononkalo. Ahatsiarovako ireo namana izay mitaraina hoe avelan'ny olon-tiany irery ao antrano rehefa mody alina iny izy... na ireo ilaozan'ny olon-tiany vao maraina rehefa mi-defoule iny izy sns...
(tohiny)