Tsy ilay hira malaza (manjary atao @ fiandrasam-paty foana) no tiako lazaina amin'ny lohateny fa dika tsotsotra an'ilay fiteny hoe "Keep moving forward". Omaly hariva aho vao nijery an'ilay Dessin Animé (ie, mpakafy an'ireny aho) hoe "Meet the Robinsons" satria hanomboka hiasa androany fa vita ny fialantsasatra dia hoe te hihomehy kely. Rehefa fotoana tiako hanadiovana ny atidohako hanadino vetivety ny ordinatera sy ny mombamomba azy mantsy dia mijery film-njaza toa ireny aho. (tohiny)
Manomboka betsaka ny misalasala eo anatrehan'ireo fitaovana isan-karazany atolotry ny internet. Fitaovana maro izay miezaka mampivoitra ny atao hoe "Social network" na azo adika tsotsotra hoe fiaraha-monina virtoaly. Hatraiza ny fetra? (tohiny)
Manomboka rahampitso aho dia vakansy mandritra ny andro maromaro. Efa tsy andry intsony ny hiravana androany (tsisy mahay teny gasy ato am-piasana). Inona ny vinavina? Hapetrako eto ihany dia hojereko amin'ny septambra rehefa miditra hoe inona no vita :-p
(tohiny)
Mahafinaritra ny andro androany ho anay mahery vintana. Teraka tamin'ny vody alakaosy (ie, nojereko tamin'ny alimanaka tamin'izany fotoana izany). Zoma faha 13.
Ny zava-misy androany izany dia:
- Vendredi 13: Raha manao lotto aho dia mahazo... fa zah tsy hanao :-) (C'est vraiment amusant
de croire d'avoir un certain pouvoir et de ne pas en profiter :-p) - Saint Antoine de Padou: Tsy miasa ny tapakandro hariva... donc mahita baolina indray (yess).
Saint Antoine de Padou mantsy no mpiaro ity toeram-piasana ity. Dia fety izany androany. - Euro2008 Italie - Roumanie: baolina sy politika. Nisy fotoana taloha resy ny Italiana dia be dia be ny Roumains tsy ara-dalàna noroahina. Mety mbola hitranga?
Milona be ny internet ato am-piasana. Misy tsivalahara mi-telecharger mitroka ny bande rehetra. Vokany mahakamo na dia ny manokatra mailaka aza. Izay tena important ihany sisa no voavaky... ny sisa miandry any an-trano. Rehefa any antrano anefa, maika hatory (yes... zava-baovao vao hita tato ho ato hoe hay mamy ilay matory aloha lol). Dia mba mifoha maraina fa variana amin'ny zavatra hafa indray. Milamina kokoa ilay mifoha amin'ny 4 na amin'ny 5 dia mahavita zavatra be dia be dia tsy voavaky indray ilay mailaka.
Ah! fa ny chat misokatra. Indrindra ny ao amin'ny karajia.org rehefa mampiasa Pidgin. Ny hafa mitsilopilopy eo.
Angamba mila sekretera partout-coller, sy parti-couleur... avis aux âmes-à-terre.
Sao dia ato ny hafatrao? :-)
Na koa