Aza ampijaliana ny tenintsika: ny "h"

2008-03-29 @ 09:43 in Fampianarana

Fandraisana anjara amin'ny "Aza ampijaliana ny tenintsika".
Sarotra ihany ho an'ny ankamaroan'ny Malagasy ny mamantatra hoe misy "h" ve ny teny iray sa tsy misy satria amin'ny ankapobeny ny "h" dia tsy tononina. Ho an'ny faritra sasany toa ny any Betsileo aloha tsy dia manana olana satria tononina tsara mihitsy ny "h". Koa ireto ary misy fomba vitsivitsy hahalalàna hoe tokony hisy "h" sa tsy tokony ny teny iray. (tohiny)

Ampiasao ny Fahana RSS

2008-03-15 @ 08:42 in Fampianarana

Amin'izao fotoana izao dia miha-betsaka hatrany ireo takelaka mahaliana, indrindra fa takelaka malagasy sy blaogy. Tsy araka anefa, na koa tsy tadidy, ny mijery azy ireny tsirairay. Ary misy koa tsy voatery jerena isanandro satria tsy miova isanandro. Koa fomba iray hahafahana mijery ny zava-baovao amin'ireny takelaka ireny dia azo ampiasaina ilay atao hoe Fahana RSS. (tohiny)

Blaogy.com : Dingana dimy hanokafana blaogy

2007-12-07 @ 06:58 in Fampianarana

Efa misy ihany nosoratako tany aloha tany momba ny fandrindrana ny blaogy eto amin'ny blaogy.com. Ity lahatsoratra ity dia mampiseho ireo dingana tsotsotra tokony holalovana ho an'ireo vao hanomboka hametraka ny blaoginy eto.

 (tohiny)

Fampidirana sary tsotsotra

2007-10-01 @ 15:23 in Fampianarana

Ity dia fomba anakiray hafa fampidirana sary izay sady mandeha eto amin'ny blaogy.com no mandeha any @ blaogy.org

 (tohiny)

Hanova DVD ho AVI

2007-09-07 @ 16:09 in Informatika, Fampianarana

Ity dia fomba iray izay hanovana ny kapila DVD ho fichier AVI, mba hahafahana mitahiry azy ao anaty CD, na koa mamoaka azy amin'ny Internet, na mandritra azy ho sarimihetsika vaovao indray (manao montage). Ny fichiers ao anaty DVD mantsy dia tsy voavakin'ny fitaovana rehetra.  (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry