Ranomasina 2007

2007-06-30 @ 11:14 in Izaho sy ny ahy

Tara be loatra ny fandehananay teny amin'ny ranomasina tamin'ity 2007 ity. Betsaka angamba ny zavatra nanahirana. Omaly izany ny ranomasina 2007 voalohany. Tsy niova ny ranomasin'i Ostia, be olona, mangidy sira :-), na dia hoe tsy teny amin'ny toerana mahazatra aza izahay no nandeha. Efa hariva izahay vao tonga teny fa mbola be asa... nafana ny rano saingy tsy nijanona ela tao fa toa mbola tsy tena nivonona ny hilomano. Tohizana amin'ny heriny angamba.

Bien ou rien

2007-06-29 @ 08:01 in Eritreritra mandalo

"Bien ou rien..." soratra hitako nipetraka tao antrano io tamin'izaho mbola kely. Ny tohiny tadidiko dia hoe "... c'est la dévise de notre maison..." dia misy tohiny lava fa tsy tadidiko. Fa ny nahatsiarovako azy androany dia ny nahenoako ilay ohabolan'ny romana (teny latina) hoe "In medium stat virtus" izay azo adika tsotsotra hoe ny eo amin'ny antonony no misy ny hatsarana. (tohiny)

Boatin'afokasika

2007-06-27 @ 09:06 in ItaliAfrika

Efa nolazaiko ihany tatsy aloha tatsy ny fahitako an'i Venise, tananam-pitiavana. Aiza tokoa re ny tananam-pitiavana any Dago... Anjely Mainty eny Anosy? Eny Ambatofotsy? Eny Imeritsiatosika? Eny Ambohijanahary? Eny Tsimbazaza? Ireo aloha no tadidiko fampiarahan'ny olona taloha. (tohiny)

26 jiona-nay

2007-06-26 @ 07:21 in Izaho sy ny ahy

Omaly aho tamin'ny niresaka tamin'ny zandriko vavy dia nilazany hoe hanao harendrina ry zareo ny hariva. Dia tadidiko ny zavatra rehetra fanaonay rehefa 26 jiona izay inoako fa tsy dia niainan'ny olona sasany loatra. Tamin'izany fotoana izany, vao manomboka kely fotsiny ny volana jiona dia efa manomboka ny tsipoapoaka etsy sy eroa. Hitanao amidy eny rehetra eny ilay karazana dinamita kely misy lahiny hatramin'ny kely indrindra eo amin'ny 5cm eo izay amidy 20 ariary ka hatramin'ny lehibe tahaka ny labozia izay tsy haiko ny vidiny fa tsy mbola nividy aho. (tohiny)

You Sang To Me - Marc Anthony

2007-06-22 @ 21:54 in Izaho sy ny ahy

Hira anisan'ny tiako tamin'ny taloha... sendra nandeha tao amin'ny Runaway Bride ilay izy dia niverenana nohenoina indray dia notadiavina dia hita. (tohiny)

Ny mpampiasa mpampiasa ihany

2007-06-22 @ 08:02 in Eritreritra mandalo

Eritreritra sendra mandalo fotsiny momba ny zavatra mitranga anakiray. Nisy bandy iray nahavita nifamaly mafy tamin'ny lehibe tao ambadika tao omaly. Tena tabataba mihitsy ary nakaratok'i leiry imbetsaka ny varavarana. Niondrika fotsiny aho tato amin'ny biraoko naheno azy. Tonga moa i leiry dia lasa nody ary hatramin'izao androany maraina izao dia mbola tsy niverina niasa. (tohiny)

Venise sy Manaingazipo

2007-06-17 @ 22:01 in Izaho sy ny ahy

Nandeha kely tany Venise aho tamin'ity weekend ity (atao antso avo satria vao sambany tany :-)). Niala zoma dia tonga alahady. Nieritreritra hoe tafala teto Afrika... kay tafala tapany fotsiny. KOa satria asabotsy maraina ny fotoana novonjena tany kanefa mbola niasa zoma hariva dia voatery nandray fiaran-dalamby mandeha amin'ny alina izahay. Naharitra teo amin'ny (tohiny)

Hisesy ny anniversaire

2007-06-12 @ 10:01 in Izaho sy ny ahy

Ny volana jiona no volan'ny anniversaire ao amin'ny Fianakavianay. Aminay 6 mianadahy dia 4 no manana anniversaire volana jiona ny iray volana jolay ary izaho faran'ny taona. Efa nanomboka omaly izany Andry zandriko lahy 11 jiona, Haja 14 jiona, Fara zandriko vavy 18 jiona, Hasina zandriko lahy 22 jiona dia Vola sisa no 28 jolay. Rehefa dinihana dia voalohandohan'ny volana oktobra any izany no fotoam-pamafazana mba hahazoana vokatra volana jiona... nahoana ary?  (tohiny)

Mba hoe higrevy hono (Tonga soa eto Afrika 1bis)

2007-06-07 @ 08:14 in Italiano

Mbola fiainana eto Afrika ihany (eto amin'ny firenena iray atao hoe Italia).
Tahaka ny tany andalam-pandrosoana mandroso rehetra dia mba misy grevy koa eto Italia. Afak'omaly hariva ary dia nanambara grevy hanoherana lalànan'ny fanalalahana ny mpivaro-dasantsy. Higrevy mandritra ny 3 andro hono. Be dia be avy hatrany no nilahatra lasantsy tamin'iny talata hariva iny. Tamin'ny ora farany anefa dia nandefa vaovao ny avy any Sicile fa hoe nofoanany ny grevy any aminy... tsy nifanaraka ny mpigrevy. Namaly ny teto Roma hoe raikitra ny grevy eto an-drenivohitra. Omaly anefa dia tsy naharitra ry zalahy mpivaro-dasantsy fa nivarotra ihany. Tsy hihinan-kanina ve moa? Itovizan'ny firenena Afrikana rehetra io ka tsy mahagaga raha izany no nitranga teto Italia. Rehefa misy grevy dia azo antoka foana fa hisy ny service minimum maximum ka tsy hampihontsona ny mpitondra mihitsy. Tsetsatsetsa tsy aritra iny.

Tonga soa eto Afrika (1)

2007-06-04 @ 09:49 in Italiano

Aza taitra loatra :-) Tena fanahy niniana napetraka io lohateny io hahafantaran'izay mamaky hoe aiza marina aho no monina. Tahatahaka ny ahoana ny tontolo manodidina ahy. Tonga soa eto Afrika. (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2007 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry