Vita indray iny ny fotoam-pialan-tsasatra. Tamin'ity taona ity aho no tena tsy nahavita n'inona n'inona indrindra. Isan-taona mantsy dia misy zavatra mivaingana kely foana mba ataoko, fa vokatry ny tsy fanomanana angamba dia aotra tamin'ity. Zara raha nanitsy kely ny rakibolana.org sy nanavao ny takelaka.org fotsiny.
Nisy rahateo ny Fihaonana serasera Roma III ka somary nibahana ny fandaharam-potoana. Tsy dia tamin'ny fanomanana loatra, satria ankoatry ny emails maro be nifanakalozana tamin'i Rondro sy Andry, dia tsy hitako loatra izayy nataoko, fa tamin'ny fanatrehana azy mihitsy. Nitontona tao anelanelan'ny congé-ko koa ilay izy (izaho no adala) dia tsy afaka nankaiza na taloha na taoriany. Afa-po tamin'ilay fihaonana kosa nefa aho. Tsy araka ny ahiahiko tam-boalohany. Efa any amin'ny antsary.com any ny sary. Misy video koa ao amin'ny http://roma3.divers.serasera.org koa dia mbola mamerina ny fisaorana ho an'ny nikarakara rehetra sy ireo tonga koa.
Nandritra iny fialan-tsasatra iny izany dia niezaka nitrandraka sy nizaha ireo toerana manodidina ny toerana misy anay no tena natao. Tsy dia tany an-dranomasina loatra satria amin'izao, hatramin'izay nialana tany Roma izay, dia mandeha 100km vao mahita ranomasina... Ny gasoil efa lafo. Misy toerana vitsivitsy mahaliana rahateo eto an-toerana.
Tany an-tendrombohitr'i Monte Livata, ohatra, dia tsara rehefa ilay mafana iny ny andro. 15km miala ao an-trano fa fiakaram-be Misy tany malalaka be, misy hazo koa, dia tonga dia misy fatana ho an'izay te hitono hena...
Farihin'i Turano (eny, misy "rano" ilay anaran-tany) izay 50km fotsiny. Farihy artifisialy lehibe. Azo ilomanosana tsara. Tsy dia be olona toy ny any Bracciano, ilay niarahana tamin'ny serasera. Efa nifaramparana ny vakansy vao hita ilay izy, tamin'ny google maps. Afa-po tsara tany tamin'ny lomano. Ny tora-pasika any fotsiny no feno vatokely ka mila mitondra kapa... ary tsy afaka tena manao ladina an-tany rehefa mitsilailay... raha tsy hoe mitondra kidoro :-)
Ny toeram-pilalaovana naleha dia tao Guidonia, ilay hoe Aquapiper, izay 50 km miala ao antrano. Toeram-pilalaovana rano, misy dobo filomanosana enina, amin'ny halaliny avy, misy figorisana amin'ny heriny avy. Misy ilay figorisana antsoiny hoe Kamikaze... izay mitsotsorika, angamba 75°... fa tsy nidirako lalina :-). Ilay anakiray somary mandrimandry kokoa aza efa saika tsy vitako. Ela be mihitsy ny 5 segondra nigorisana tamin'ilay izy, izaho amin'izany nihidy vazana mafy. Tokony niverenana imbetsaka amin'izay zatra, 20 euros ny fidirana. Tany amin'ny Zoomarine 145km, izay nandehananay talohan'ny vakansy, dia 25 euros ny fidirana. Misy hafa koa hono any Valmontone 35km, fa toa 35 euros ny fidirana.
Ny teo an-tanàna moa dia fety isan-kariva. Izay no mahafinaritra ahy mipetraka any am-banivohitra. Rehefa fotoam-pialantsasatra dia misy fety foana, ary maharitra hatramin'ny aorian'ny misasakalina. Karazam-pety, ao ny hirahira, ao ny tsena, ao ny fisakafoanana, ao ny fetim-piangonana. Dia faranany amin'ny afomanga hatrany.
Nahafinaritra iny 3 herinandro iny. Raha atambatra tamin'ny fotoana azoko tamin'ny desambra izay nandehanana tany Madagasikara izany dia nahatratra 10 herinandro ny fotoana fialantsasatra tamin'ity taona ity :-). Aleo tsy mimenomenona...
Zavatra iray izay iainan'ny tena mivantana mikasika ity resaka famadihana ity no nanosika ahy hanoratra sy hamerina handinika indray hoe inona marina no mbola mahatonga ny Malagasy hamadika. (tohiny)
Ity angamba ny lahatsoratra voalohany amin'ny teny malagasy mikasika ny Google+ izay nisokatra ny 28 jiona lasa teo. Mbola vaovao ho an'ny maro tokoa ity G+ ity na dia efa ela aza no niketrehan'i Google azy, ary efa fantatra fa tsy maintsy ho avy masiaka(1).
(tohiny)
Mino aho fa efa betsaka ny olona voan'izany hoe nisy olona nitokisanao dia voatery nilaozana. Indrindra moa raha olona nianteherana hitari-dalana sy hiaraka aminao amin'ny sarotra... rehefa maizina iny ny andro. Izaho voa tamin'ny asabotsy. Tamin'ny asabotsy alina, efa hadiva hisasak'alina aho dia nanapa-kevitra fa tsy hiaraka intsony amin'i ra-Catherine. (tohiny)
Efa ela aho no tsy niresaka politika, ary mbola tsy hiresaka politika koa androany. Ahoana tokoa moa no hiresahana politika raha toa ka vao miteny fotsiny ianao hoe resaka politiika ity dia tsy misy mamaky avy hatrany? Ny sasany aza vao hanomboka hifandray fotsiny ianao dia avy hatrany dia misakana hoe aza asiana resaka politika mihitsy an. Ilay bandy akamako mpanoratra lahatsoratra an-gazety mba nasaiko nitantara ny zava-misy sy ny toe-draharaha any Madagasikara dia nanda avy hatrany hoe "Izaho aloha tsy hanoratra mikasika politika mihitsy". Ry Ikalamako izany tsy te hiherika mihintsy raha vao misy hoe Rav... na Raj... (tsy hosoratako manontolo sao tsy mamaky eo koa izy) any anaty lahatsoratra.
Fa dia naninona loatra ny politika?
Ny politika no zavatra anisan'ny nahaliana ahy indrindra tamin'ny taona vitsivitsy nanaovako Filozofia. Io ihany tsinona no taranja hitako hoe mahakasika mivantana ny fiainako sy ny manodidina ahy. Resaka momba izany rahateo ny tena politika. Fitantanana tanàna (Polis), fandrindrana ny fiaraha-monina. Ny hoe mandrindra dia mandamina izay mikorontana sy tsy marina. Izany hoe hamarinina ho tsy misy avo sy iva, tsy hisy tombo sy hala. Izay no nitiavako politika.
Toa ny manao fanorona dia mahafinaritra ilay politika. Raha hijery sy handamina ny "avo sy iva" izany mantsy dia mila manana fijery ankapobeny aloha, izany hoe mahita ny rehetra, diia avy eo mahalala ny antsipirihany. Eo no mampiasa ilay teti-panorona isan-karazany hoe ahoana no hampakarana ny "iva" ka tsy hisian'ny elanelana be loatra eo amin'ny "avo sy iva". Resaka tena mikasika ny andavanandro izany ny politika fa tsy resaka maha monaina.
Ny olana angamba dia satria tsy manao politika akory ireo mpanao politika. Toa manao izay ham-panankarena ny tenany fotsiny ka manitsaka ny ambany sy "iva" mba hiakarana ambony amin'ny "avo". Mifanohitra tanteraka amin'ilay mandamina. Dia izay mahery sy be vola no lasa filoha.
Tonga amin'ny tanjony izao ny mpanao poltika sandoka. Tsy misy miresaka politika intsony. Tsy misy mitsikera ny "avo" sy miantra ny "iva" intsony. Lasa samy maka ho azy sisa. Mirehareha ery hoe tsy manao politika kanefa latsaka ao am-bovon'ny be polifika. Manjary mankaksitraka ilay tsy firindrana.
Tsy maninona, aleo samy mody fanina. Tsy maintsy hikorontana ihany rehefa lasa avo loatra ny "avo" ka lasa iva loatra ny "iva". Hiseho amin'izay ny tena mpanao politika "mpandrindra" sy "mpanamarina"