Voninkazo teny amin'ny ambassade

2013-04-25 @ 18:29 in Kanto, Sary

Tsy mikaonty ho anisan'ny lahatsoratra ity fa voninkazo fotsiny :-) Teny amin'ny ambassade malagasy eto Italia. Ireto avy ny voninkazo hitako teny teo am-piandrasana an-dRajoelina Toa lasa ho mpaka sarim-boninkazo ihany aho ity :-)

Ireto izao no Begonia semperflorens (tohiny)

Fleurs du Gazon d'Olympe

2013-04-24 @ 22:02 in Kanto, Sary

Gazon d'Olympe

Nahita fika tamin'ny internet hanaovana macro mampiasa "Reversed lens" (objectif renversé?) indray aho. Izany hoe afototra ny objectif ka ny lohany no atao vodiny tongony :-). Mba hahafahana manao izany nefa dia mila adapteur adaptateur (efa hoe adaptateur fa tsy adapteur no fiteny) izay mora dia mora ao amin'ny ebay. Ny objectif mahazatra, grand angle, 18-55mm ihany no nampiasaina fa nafototra. (tohiny)

Et Dieu les créa homme et femme

2013-04-23 @ 17:32 in Sarimihetsika, Finoana sy Fivavahana

Fampidirana kely hafa mihitsy. Tamin'i Papa Fransoà lany dia samy nieritreritra ny maro fa hisy fiovana betsaka eo amin'ny Fiangonana Katolika. Nasehon'ny Papa tokoa izany fanombohan'ny fiovàna izany satria noraisiny ho tarigetra ny fanetren-tena ho azy sy ho an'ny Kristianina manontolo. Fa ny tena anisan'ny betsaka mpanantena dia hoe mety hanambady amin'izay ve ny pretra. Marihana aloha fa tsy ny pretra, ary tsy ny katolika akory matetika no manao ireo resaka ireo fa matetika dia ireo izay tsy katolika akory ka miandrandra fiovana na fisokafana kokoa eo amin'ny Fiangonana katolika. Ny antony tena nampivoaka ny resaka dia satria heno fa talohan'ny naha Papa azy ny eveka Bergoglio dia tsy nandà ny mety hisian'ny pretra manambady. Saingy nomarihany tsara fa tsy hoe famelàna ny pretra hanambady akory no tiany lazaina fa kosa ny famelàna ny olona efa manambady mba hanao pretra. Izany hoe mitombona ihany ilay hoe tokony tsy hanambady ny efa pretra... fa ho afaka manao pretra ny olona efa manambady. Tsy mampihena ny lanjan'ny fahambonian'ny "célibat" ho an'ny pretra izy amin'izay. Nolazainy tamin'izay fa tsy resaka foto-pinoana (dogmatique) izany fa resaka fombafomba (coutumes) ka azo atao tsara ny manova azy araka ny toe-tany sy ny toetr'andro. Amin'ny fiangonana katolika hafa toy ny "coptes" sy ny manaraka ny fombam-pivavahana "bizantinina" rahateo dia efa misy ny toa izany. Noho izany dia mety hisy ihany ho an'ny Katolika Romana ny mompera manambady any aoriana any.

 

Fa ny tena resaka dia somary (tohiny)

Hafatra misy kintana

2013-04-22 @ 18:18 in Izaho sy ny ahy, Fampianarana

Fampidirana hafa. Andro iraisam-pirenena ho an'ny tany androany. Raha ny tokony ho izy izany, tahaka ny an'ny vehivavy (andro iraisam-pirenena no lazaiko) dia tokony tsy hiasa koa ny tany, na farafaharatsiny haka aina tapak'andro. Rehefa dinihina tokoa dia tena miha antitra ny tany, ny endriny aza niova raha taloha izy fisaka (afatsy ny rediredin'i Galilea), izao izy efa lasa boribory (tanteraka ihany ny rediredin'i Galilea). Manontany tena aho hoe inona tokony hanamarihako ity andron'ny tany ity. Ny an'ny sasany manadio tany, tsinjaraina ny fako mba tsy ho verivery etsy sy eroa. Ny an'ny hafa mitsitsy tany, tsy mampiasa fiara sy fiaramanidina firy androany (fa rahampitso vao manao double). Ny hafa koa manao sesi-tany (tsy fidiny ho any ny any Afrika Atsimo). Izaho mbola variana manontany... manon-tany. Tratry ny fety tany - sa hoe joyeux anniver-terre?

Fa tsy izay mihitsy ny resaka androany fa (tohiny)

Sigaretta Elettronica

2013-04-15 @ 17:54 in Eritreritra mandalo, Fiaraha-monina

Fampidirana kely tsy misy idirany mihitsy. Samy naheno ny vaovao politika omaly hariva avy any Afrika Atsimo ny ankamaroan'ny Malagasy. Nipoaka be ilay vaovao ho an'ny sasany, tsy nampoizina ho an'ny hafa, fa maro koa no efa nanampo. Lalao Ravalomanana izany no natolotry ny vadiny hirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena amin'ny fifidianana manaraka izay mbola tsy tena fantatra hoe rahoviana. Politika avo lenta indray io ka tsy idirako lalina fa na izany na tsy izany dia mahafaly ahy rehefa vehivavy na iza na iza no sahy mijoro. Miandry mafy an'i Onitiana Realy koa ny tenanay ankoatra an'i Brigitte Rasamoelina sy SGR dia ho hita izay tena vehivavy nosoran-dreniny menaka. Maninona moa raha tonga dia hoe amin'ny fifidianana manaraka tsy mahazo milatsaka hofidina ny lehilahy e? :-)

 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2013 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry