Ny sarimihetsika malagasy sy Netflix

Tato ho ato dia mahazo vahana ao amin’ny Netflix ny sarimihetsika afrikana. Tantara vokarina na tohanan’ny Netflix manokana. Angamba vokatry ny valanaretina COVID19 satria vitsy kokoa amin’izao ny horonantsary amerikana sy eoropeana noho ny fitandremana tsy ho voan’ny aretina. Misy rahateo ireo mpamokatra sarimihetsika no minia tsy mamoaka ny horonantsariny mba hialàna amin’ny fatiantoka.

Fa ny manaitra dia tantara tsotra, fiainana an-davanandron’ny afrikana no tantarain’ireo sarimihetsika ireo. Mikasika ny kolikoly, ny tsy fandriam-pahalemana, hasin’ny vehivavy. Tsy dia noraisin’ny Netflix ireo horonan-tsary mampalaza ny afrikana mitantara famosaviana izay mampalaza ny mamokatra sarimihetsika Nizériana sy Gahaniana. Toa te haneho hoe miaina fiainana eo anivon’ny fotoana iainany koa ny Afrikana fa tsy voatery hiresaka mikasika ny fomban-drazana sy “folklore” foana.

Dia mampametra-panontaniana hoe hatraiza tokoa ny fivoaran’ny sarimihetsika malagasy amin’izao fotoana izao? Misy vokatra mivoaka foana nefa toa tsy dia tena lalina loatra. Fampihomehezana matetika no votoatiny. Misy ihany ny tsy dia natao hihomehezana saingy tsy mampitaintaina sy tsy manaitra loatra. Angamba tokony hiova lohahevitra amin’izay. Atao mitovitovy amin’ny tantara henoina. Tadidiko ireny tantara taloha nampalaza andry Vahandanitra, Solofo José, Clara, Gégé, Clotilde sns ireny. Mitangorona eo ambody vata fandraisam-peo avokoa ny rehetra. Sarotra be ve ny manatontosa ny toa azy ireny ho tonga sarimihetsika indray? 

Mino aho fa raha manana votoatiny mafonja sy tsara rindra ny sarimihetsika malagasy mety mba ho tafakatra tsikelikely… ary nahoana moa no tsy ho tonga any amin’ny Netflix koa?

Ireto ireo films afrikana vitsivitsy ao amin’ny Netflix mety mahaliana, Adù, La convocation, Azali, Resgate...

 

Directions samihafa

2015-03-27 @ 14:26 in Vaovao, Kanto

Misy niece-ko kely izay tena miondana One direction mihitsy (hany ka fantatro fa onedirection ny mot de passe-ny) :-) Nilazako izy, vao tsy ela akory izay, hoe "mbola vao 12 taona indry izao fa efa nandalo niondana mpihira tahaka izany daholo izahay. Fa rehefa lehibe any aoriana any dia adino ho azy ireny mpihira ireny indrindra tsy maintsy hisaraka ny tarika." Dia notantaraiko ny ohatra akaiky indrindra nampisaraka ny Take That nisy an'i Robbie Williams. Dia namaly tamim-pahendrena izy hoe "Rehefa lehibe aho, manana zafikely, dia fantatro fa mety efa tsy misy intsony ny One Direction, efa nisaratsaraka, samy efa niteraka sns, fa tantaraiko amin'ny zafikeliko hoe mpihira tena tiako be izany One Direction izany".

Tamin'ny 25 marsa teo tokoa dia niala tao amin'ny One Direction i Malik... fa angamba nahita direction vaovao. Ilay Album farany navoakandry zareo dia mitondra ny lohateny hoe "Four". Na dia milaza ny album faha-efatra aza dia toa tsindrimandry sahady hoe ho 4 sisa izy ireo. Asa izao nanahoana tokoa ilay nièce keliko fa i Malik no anisan'ny tena tiany... amin'ilay gasigasy fihetsika :-p

Fikafika vitsivitsy rehefa maka sary

2015-03-18 @ 17:07 in Kanto, Sary

Sendra hitako tao amin'ny Google+ ka zaraiko eto indrindra ho an'ireo izay vao manomboka maka sary tahaka anay. Hahitana ireo fikafika madinika hahafahana mamoaka ny tena hevitra rehefa maka sary. Amin'ny faran'ilay video dia miteny ilay nanao azy hoe ny fitsipika voalaza ato dia tsy voatery harahina satria indraindray ny fientanam-po koa no tena hahitana ny hevitry ny sary fa tsy ny fitsipika.

Hitako tokoa fa misy zavatra vitsivitsy mifanohitra ilay fitsipika. Ohatra ilay hoe "Rule of thirds" sy ilay "Symetrie", dia ilay "Dominant eye" sy ilay "Symetrie" koa. Fa na izany na tsy izany dia betsaka ny lesona azo tsoahina na dia fohy dia fohy aza ilay video. Isaorana ilay nanamboatra azy.

Coupe du monde by Marcello Barenghi

2014-07-10 @ 07:58 in Kanto

Sary vaovao nataon'i Marcello Barenghi indray amin'izao fotoanan'ny Mondial izao. Rehefa tsy nahazo ny amboara ihany ny Italiana dia aleo atao sary mitovy amin'ny tena izy. Dia ankafizo ny nanamboarany azy.

coupe

Coppa

Voninkazo teny amin'ny ambassade

2013-04-25 @ 18:29 in Kanto, Sary

Tsy mikaonty ho anisan'ny lahatsoratra ity fa voninkazo fotsiny :-) Teny amin'ny ambassade malagasy eto Italia. Ireto avy ny voninkazo hitako teny teo am-piandrasana an-dRajoelina Toa lasa ho mpaka sarim-boninkazo ihany aho ity :-)

Ireto izao no Begonia semperflorens (tohiny)

Fleurs du Gazon d'Olympe

2013-04-24 @ 22:02 in Kanto, Sary

Gazon d'Olympe

Nahita fika tamin'ny internet hanaovana macro mampiasa "Reversed lens" (objectif renversé?) indray aho. Izany hoe afototra ny objectif ka ny lohany no atao vodiny tongony :-). Mba hahafahana manao izany nefa dia mila adapteur adaptateur (efa hoe adaptateur fa tsy adapteur no fiteny) izay mora dia mora ao amin'ny ebay. Ny objectif mahazatra, grand angle, 18-55mm ihany no nampiasaina fa nafototra. (tohiny)

Voninkazo sy masoandro

2013-04-14 @ 08:32 in Kanto, Sary

Tsy misy lahatsoratra lava androany fa alahady... maka fy fotsiny ny  hatsaran'ny zava-boahary.

            

Santatry ny lohataona 2013

2013-04-06 @ 11:01 in Kanto, Sary

Ela ny ela ka tonga ihany ny lohataona. Mbola hisy orana vitsivitsy ato ho ato fa ny zava-boahary efa nahafantatra mialoha ka efa nanomboka namoakan ny voniny. (tohiny)

Nanandrana sary low-key

2013-04-05 @ 12:43 in Kanto, Sary

Araka ny nambarako tamin'ny twitter-ko omaly dia nanandrana nanao sary nampiasa low-key lighting aho na low-key photography. Ny low-key photography dia fomba iray fakana sary izay mampiasa loharanon-kazavana mampivoitra ny aloka. Matetika dia atao mainty na maizina tanteraka ny "arrière-plan".  (tohiny)

Droits d'auteurs, baiboly, serasera

2013-04-04 @ 14:19 in Kanto, Sary

A Girl and a DogNida, Lithuania,2007

Andrej Vasilenko A Girl and a Dog
Nida, Lithuania,2007

 

Sendra namaky ny tantaran'ilay mpaka sary tsy matihanina anakiray antsoina hoe Andrej Vasilenko aho teo nalaina avy ao amin'ny "The Register". Raha fehezina ny tantara dia nisy an'io sary eo ambony io izay nalain'i Andrej Vasilenko tamin'ny taona 2007 tany no nanjary nalaza tampoka satria noheverina ho an'ilay mpaka sary malaza hoe Henri Cartier-Bresson. Nampitondrain'ny olona anarana hoe "A girl and a dog" moa ny sary tamin'izay. (tohiny)

Rossy - Ino Vaovao

2008-04-18 @ 12:12 in Kanto, Politika

Araka ny heno izany dia any Dago Rossy ary dia ho raikitra ihany (angamba) ny fampisehoana ataony ao Antananarivo amin'ny 27 aprily izao.

 (tohiny)

Ny Ainga - Revy mbola milay

2007-12-03 @ 12:08 in Kanto

Nandritra ny fialan-tsasatra tany Madagasikara farany teo dia ny tarika Ny Ainga no hitako hoe artistam-bahoaka (dika tsotsotran'ny hoe populaire) indrindra. Koa angamba rariny raha asiana resaka kely eto amin'ity blaogy ity androany. (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry