Tsy ry zareo ihany akory - Panama Papers

2016-04-05 @ 13:23 in Vaovao

Mipoaka be ny resaka Panama Papers #PanamaLeaks tamin'ity herinandro ity. Izy ity dia fanatsikafonana, tamin'ny alalan'ny famoahana ireo dossiers maromaro sendra tsy voapirina tsara, ny fomban'ireo mpanambola sy mpitondra maro amin'ny firenena maro izay manorina orinasa sy mampiasa vola any amin'ny tany tsy dia misy fanarahana hetra loatra mba hialàny amin'ny fandoavan-ketra eo amin'ny taniny. Samy miandriandry hoe iza avy no ho tratran'ny ampamoaka. Efa misy anarana ngeza mivoaka, toa voatonontonona ao koa hono hatramindry Messi, Platini sns. Toa misy ihany koa ny avy ao Madagasika fa mbola tsy fantatra hoe iza. Dia mifampiandry kendry tohina eo aloha.

 

 

Fa alohan'ny hanondroana molotra azy ireo, izay tokony hofaizina mafy tokoa aloha, dia tokony samy mandini-tena. Hatraiza ny fandoavanao hetra eo amin'ny taninao na eo amin'ny tany hivahiniananao. Mora be ilay filazàna hoe tsy mipàka amin'ny fiainana andavanandron'ny vahoaka akory ilay hetra ka aleo samy tsy mandoa. Kanefa toa vahaolana diso ihany izany satria dia hiara-mifafa eo. Fa raha toa tokoa ka tsy misy fiantraikany amin'ny fiainana ny hetra dia ny fitondrana izay tsy mampiasa izany araka ny tokony ho izy no tokony harodana.

Mampiasa anaram-bady
Nampiasa anaram-bady hono ireo tsy mpandoa hetra

Manomboka amin'ny zavatra kely indrindra ny ady amin'ny tsy fandoavan-ketra ary tsy maintsy hiaraha-manao. Raha olona vitsy fotsiny mantsy no miezaka mandoa dia mitovy amin'ny tsy misy ihany. Miainga amin'ny fahazarana faran'izay kely indrindra, maka faktiora foana rehefa mividy zavatra... ary manome faktiora foana koa rehefa manome zavatra.

Ho anay eto Italia, ny zavatra novidina, na dia kafé iray kaopy aza, dia misy ampaham-bola mandeha any amin'ny fanjakàna rehefa nisy taratasy manamarina azy. Imbetsaka mihitsy no tsy manome taratasy ny mpivarotra rehefa tsy mitaky ianao fa odiany fanina. Nefa midika iny fa tsy voarotsaka any amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny 10%-n'ny zavatra novidinao. 

Mitaky fandraisan'anjaran'ny rehetra izany. Ankoatry ny fandoavanao ny hetranao dia anjaranao koa miteny ny hafa handoa ny anjarany. 

 

Les mauvais colocataires...

Il est temps d’obliger les grandes multinationales de payer leur juste part d’impôt. Signez notre pétition et rejoignez le mouvement contre l’évasion fiscale. http://oxf.am/Fb6m

Posted by Oxfam France on Sunday, April 3, 2016

 

 

Directions samihafa

2015-03-27 @ 14:26 in Vaovao, Kanto

Misy niece-ko kely izay tena miondana One direction mihitsy (hany ka fantatro fa onedirection ny mot de passe-ny) :-) Nilazako izy, vao tsy ela akory izay, hoe "mbola vao 12 taona indry izao fa efa nandalo niondana mpihira tahaka izany daholo izahay. Fa rehefa lehibe any aoriana any dia adino ho azy ireny mpihira ireny indrindra tsy maintsy hisaraka ny tarika." Dia notantaraiko ny ohatra akaiky indrindra nampisaraka ny Take That nisy an'i Robbie Williams. Dia namaly tamim-pahendrena izy hoe "Rehefa lehibe aho, manana zafikely, dia fantatro fa mety efa tsy misy intsony ny One Direction, efa nisaratsaraka, samy efa niteraka sns, fa tantaraiko amin'ny zafikeliko hoe mpihira tena tiako be izany One Direction izany".

Tamin'ny 25 marsa teo tokoa dia niala tao amin'ny One Direction i Malik... fa angamba nahita direction vaovao. Ilay Album farany navoakandry zareo dia mitondra ny lohateny hoe "Four". Na dia milaza ny album faha-efatra aza dia toa tsindrimandry sahady hoe ho 4 sisa izy ireo. Asa izao nanahoana tokoa ilay nièce keliko fa i Malik no anisan'ny tena tiany... amin'ilay gasigasy fihetsika :-p

Ny antony hiantsoana ny Colas hanapoaka ilay vato be

2015-03-11 @ 08:04 in Vaovao, Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Alohan'ny tena resaka. Misy vato mandondona (fa tsy mandondòna) be iray izay any Myanmar, hita eto amin'ny sary, an-tampon'ny tendrombohitra iray ao Kyaiktiyo. Antsoina hoe Vato volamena izy io satria lasa toerana fanaovan'ny mpino Bodista fivahinianana masinia ka izay mamangy mivavaka eo dia mametaka felam-bolamena. Ilay vato be, izay mirefy 7m ny hahavony ary 15m ny savaivony, dia zara raha mipetraka amin'ilay vato eo ambaniny... nefa tsy mikodiadia any ambany. Tsara tombina.

Fa ny tena resaka dia mikasika ihany ilay vatobe eny Avaratr'Ankatso izay mahabe resaka any amin'ny tambazotra sosialy. Araka ny re dia 57.000.000 ar no hanesoran'ny Colas azy nefa ny Malagasy mpiasa vato eny Ambatonapoaka nangataka 6.000.000 hanalàny azy. Betsaka, avy hatrany, ny entim-po, indrindra mahita ny elanelan'ny sarany, hoe resaka fanandevozan'ny Frantsay indray io, satria an'ny Frantsay ny Colas. Ireto anefa misy eritreritra kely mandalo ilàna fanadihadiana... izay mazava loatra fa ny tompon'andraikitra no afaka mamaly azy.

- Nisy ve "appel d'offres" natao tamin'ny fanesorana ilay vato? Raha nisy mantsy ny "appel d'offres" ka raha hita fa ny Colas no nahazo ny varotra dia ara-dalàna tsara ilay "procédure". Miseho any rehetra any rahateo ny sarany fa 57.000.000 ariary, ka raha nisy mpifaninana tamin'ny Colas nanolotra latsak'io nefa tsy nahazo ilay varotra dia tokony izy ireo no hiantsoantso.

- Raha nisy ny "appel d'offres", nahoana no tsy afaka nanolotra ny vinavinany ireo "mpamaky vato"? Tsy nampahafantarina ve izy ireo? Tsy afaka mandray anjara amin'ilay "appel d'offres" ve izy ireo?

- Iza tokoa ilay hoe "mpamaky vato" nanolotra vinavina 6.000.000 ar? Fikambanana ve izy ireo sa "Entreprise"? Afaka manome faktiora sy mandoa haba ve izy ireo? Sao dia tsy mitsinjara amin'ny mpiasa tsara ny vola azo? Ara-dalàna avokoa ve ireo mpiasa sa mety hisy fitsentsefana raha omena azy ireo ny vola? Misy "assurances" ve ny mpamaky vato raha sanatria ka misy loza mitranga mandritra ny fanesorana ilay vato be. Misy antoka (garanti) ve omen'izy ireo amin'ny asa ataony? Ahoana ny fomba hanaovana ny "contrat" amin'izy ireo? Misy "assurance" ve raha sanatria ka miteraka loza hafa (amin'ny manodidina) ny asa ataony?

Rehefa voavaly ireo fanontaniana ireo dia afaka miteny tsara hoe nahoana tokoa no ny "Colas" no manala ilay vato na dia 57.000.000 aza ny vola takiany.

 

Aza omena an'ireny basy kilalao ireny akory ny zaza

2014-11-27 @ 10:23 in Vaovao, Tsy aritra

Maro tamintsika angamba no nahita an'ilay video izay nahafaty an'i Tamir Rice, zazalahy mainty fihodirana, vao 12 taona monja, notifirin'ny polisy tany Etazonia. Nisangisangy izy, ka rehefa misy mpandalo dia tondroiny amin'ny basy kilalao avy ato aoriana. Tsy hitan'ilay mpandalo izany fihetsika izany ka tsy mitranga eo ny olana. Fa nisy kosa vavolombelona nahita avy lavitra dia niantso polisy. Fantatr'ilay niantso hoe mety basy kilalao ilay basy ka nolazainy tamin'izy niantso. Nandefa polisy teo an-toerana ny antso vonjy taitra saingy tsy voalazany ilay resaka hoe basy kilalao. Nony tonga ny polisy nahita an'i Tamir Rice nitazona ilay basy tao am-paosiny ka saika hamoaka tanana, dia tonga dia notifirin'izy ireo. Maty teo no ho eo. Araka ny vaovao dia tsy mbola nanana traikefa ilay polisy satria tsy mbola ampy herin-taona nanaovana ny asany akory.

Tamir Rice

Amin'ny toe-javatra tahaka itony ankoatra ny fanadihadiana izay tokony hatao amin'ilay mpitifitra sns, dia manana ny andraikiny lehibe ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina. Mbola tsy azoko foana hatramin'izao hoe nahoana no ividianana kilalao izay maka tahaka ireo fiadiana fanaovana herisetra ny ankizy. Basy, antsy, sns. Ny hitany amin'ny fahitalavitra aza efa tsy fidiny. Taloha ny tena dia nanao "bandy sy rola", "polisy volera", izay marina fa mifanalavitra be amin'ny tena izy (réalités) saingy na ireny aza dia efa miteraka faniriana hanao herisetra ao anaty lalina ao. Ka raha tsy voataiza tsara dia lasa mivoaka rehefa lehibe.

Ankatoky ny noely izao, fetim-pifaliana. Dia aleo mba kilalao miteraka fifaliana ho azy, ho an'ny manodidina azy, ho an'ny feon'ny fieritreretany, no omena ny zaza. Izao fotoana izao indrindra no tokony hikolokoloina ny ho avy izay irina ho azy.

 

Atao lavanty ny satrok'i Papa Fransoà

2014-09-17 @ 19:58 in Vaovao, Finoana sy Fivavahana

Ho henonareo amin'ny vaovao malaza ato ho ato io vaovao io. Androany alina tokoa no natomboka natao lavanty ny satrok'i Papa Fransoà, tena satroka nanaovany fa tsy sandoka. Toa izao no fandehan'ny tantara izay nitranga tao amin'ny fandaharan'ny televiziona italiana Le Iene androany 17 septambra... tantara araka ny filazan'izy ireo.

Satrok'i Papa atao lavanty

I Damiano dia tafiditra niasa tao amin'io fandaharana io tamin'ny voalohandohan'ity taona ity. Tsy nahomby loatra anefa izy dia voatery nesorina. Nitady fomba maro izy hanehoana amin'ny tompon'ny fandaharana hoe mahavita zavatra ka ny tanjony dia ny haka ny satrok'i Papa Fransoà.

Ny tanjony dia ny hahazo tso-drano amin'ny zavatra manokana entiny eny amin'ny Papa Fransoà. Nividy satroka mitovy amin'ny anaovan'ny Papa ary izy ka nandritra ny fandalovan'i Papa dia niantsoantso tahaka ny olona rehetra mba horaisin'ny Papa ny satroka nentiny ka hotsofiny rano. Nijanona tokoa ny Papa ka nampanalainy ilay satroka teny aminy. Tsy nampoizina anefa fa dia noraisin'ny Papa ilay satroka ka ny azy indray no nomeny an'i Damiano.

Nentin'i Damiano tany amin'ny tompom-pandaharana ny video rehetra mikasika izany sy ilay satroka koa nanapa-kevitra izy ireo fa hatao lavanty ny satroka ka ny vola azo dia atolotra ny masera mpanao asa soa iray any Congo. Adin'ny iray aty aoriana dia efa tafakatra 80.000,00 Euro ny vidin'ilay satroka ao amin'ny Ebay (Jereo eto).

Jereo eto ny tantara rehetra amin'ny teny Italiana

Là où la politique a échoué, la prière doit réussir

2014-06-11 @ 09:32 in Vaovao, Finoana sy Fivavahana

Tranga iray izay voalaza tamin'ny filazam-baovao maro tamin'iny faran'ny herinandro iny ny fihaonan'ny Papa Fransoà tamin'ny filohan'Israely Atoa. Shimon Peres sy ny filohan'i Palestina Mahmoud Abbas ary ny Patriarka Bartolomeo teto Vatikana. Fitohizan'ilay fanasana nataon'i Papa tamin'ny fandalovany tany Israely hoe "andao hiaraka hivavaka ho an'ny fandriam-pahalemana, atolotro ny tranoko any Vatican hanaovantsika izany fiaraha-mivavaka izany."

Fandriam-pahalemana

Tanteraka tokoa ilay fihaonana ary nanasa (tohiny)

Fanavaozana ny application Fihirana Katolika Android

2013-11-29 @ 06:19 in Vaovao, Finoana sy Fivavahana

Dia nohavaozina kely ihany koa ny application Fihirana Katolika Android androany alina. Ny zava-baovao dia ny lisitry ny Salamo sy ny fomba hahafahana mitahiry ny hira mba mora hiverenana.

Fihirana Katolika (tohiny)

Namono olona ny JIRAMA ?

2013-04-12 @ 09:04 in Vaovao, Fiaraha-monina

Trano may tao Toamasina

Fampidirana kely an'ity vaovao mampalahelo holazaiko ity. Vao omaly mihitsy aho no nilaza tao amin'ny twitter hoe raha tany amin'ny toerana hafa (na firenena hafa) no nisy an'izao zava-mitranga ataon'ny JIRAMA ao Toamasina izao dia ho lasa JIRAMAY io. Androany maraina dia indrisy fa tsy ny Jirama no may fa olona tsy manan-tsiny. Tsy rariny ary tena tsy rariny mihitsy ny fisian'ny tanàna lehibe toa an'i Toamasina no zara raha misy jiro ao anatin'ny 24 ora, ary maharitra andro maromaro. Simba na ny fifandraisana, na ny fitehirizan-tsakafo, na ny tsena, sns. Ingahy Rolland Ratsiraka moa no kandidà avy ao izay efa nahatafiditra ny filatsahan-kofidina any amin'ny CES koa tokony izy no korontanina voalohany satria dia tsy hisy hifidy azy ny zanak'i Toamasina raha izao no tsy voalamina. (tohiny)

Felix Baumgartner, vitany ihany

2012-10-15 @ 07:17 in Vaovao

Tamin'ny 9 oktobra teo vao tena nalaza be ny anarana hoe Felix Baumgartner, lehilahy 43 taona avy any Autriche. Tamin'io daty io mantsy izy no hoe hitsambikina avy eny amin'ny 36 km, ary hiezaka hihoatra ny hafainganam-pandehan'ny feo hono. Tsy tanteraka izany tamin'iny daty iny ary betsaka no nieritreritra hoe tena resaka varotra ity satria ny Red Bull no manohana azy voalohany. Saingy omaly 14 oktobra dia tanteraka soa amantsara ihany izany ary nandritra ny fotoana nitsambikinany dia nahatratra 8 tapitrisa ireo nanaraka nijery teo amin'ny Youtube. (tohiny)

Ofisialy ny ambasadaoro eto Roma

2008-10-18 @ 00:24 in Vaovao, Izaho sy ny ahy

Tohin'ny resaka omaly aloha :-). Tsss, gaga be izy fa hoe toa nihena hono ny tosaka tamin'ny eMule fa sao dia misy virus na misy zavatra tsy nety tao amin'ny ordinaterany (grrr). Dia tsy maintsy izaho indray no nantsoina nijery hoe inona marina no olana. Inona no holazaiko eo? Afak'omaly hono nandeha tsara fa mahatratra 100kbs ny fakàny film (ary fantany mihitsy kay hoe lasany daholo ny 100kbs)... dia maninona hono androany zara raha misy 30kb/s. Sady lagy aho no niteny moramora hoe nisy tsy nety angamba ny configuration-n'ny router fa hojereko. Tsy nanaiky ny anao lahy raha tsy niverina ny 100kbs. Tsisy fika... matevin-koditra.

Fa izany eo ihany fa "voaasa" tany amin'ny ambasady izahay androany fa izao vao tena ofisialy ny ambasadaoro vaovao . Nanolotra ny taratasy fanendrena azy tamin'ity herinandro ity mantsy Atoa. Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo, Ambasadaoron'i Madagasikara eto Italia. Nahafinaritra ny tany, euh... izay tratra dia nahafinaritra satria tara toy ny mahazatra indray izahay. Mahafinaritra koa ilay Rangahy, miresaka tsara. Somary vitsivitsy no tonga tao satria vitsy ihany no nantsoina. Olona 4 isaky ny vondrona na ny association. Izaho moa manana kasikety vitsivitsy ka dia izay moramora kokoa no nidirana. Dia tamin'ny anaran'ny malagasy.it no nandehanako teny.

Naka sary tao amin'ny ambassade tokoa aho androany, teo akaikin'ilay saina fa tsy nalain'ilay mpaka sary ilay saina tsss... kanefa ny azy nalaiko nisy saina. Apetrako eto ambany ihany na izay aza.

Be resaka be aho? Jereo eto ny antony raha mbola tsy nahita :-)

 

Serasera eto Roma: Tongava daholo :-)

2008-07-02 @ 08:45 in Vaovao

Dia raikitra indray izany ny fihaonan'ny namana serasera.org eto Roma amin'ity vakansy ity. Ity no fihaonana faharoa hotanterahina eto Roma... ny fihaonana tamin'ny toerana hafa moa dia efa nisinisy ihany (Paris, Antananarivo, Mahajanga, Nice, sns.)  (tohiny)

Fete de l'Internet: Ho ao ny Telomiova

2008-06-25 @ 13:47 in Vaovao

Dia am-pifaliana no hilazana amintsika sy hanasana antsika rehetra fa handray anjara mavitrika ao amin’ny "Fete de l’Internet" ao amin’ny Hotel Carlton (Hilton teo aloha) ny Telomiova amin’ny 28-29 jiona 2008 izao.

 (tohiny)

CyberFety Gasy Androany

2008-06-21 @ 05:55 in Vaovao

Androany ny fetin'ny mozika, hetsika maro isankarazany no hita aty Eoropa, ary inoako fa tsy ho latsak'izany koa ny toerana hafa. Fa miara-mitontona amin'izany indrindra ny cyberfety izay andraisan'ny Telomiova.org anjara ihany koa.  (tohiny)

Ciao Pavarotti

2007-09-07 @ 07:00 in Vaovao

Dia nindaosin'ny fahafatesana ihany koa i Pavarotti omaly maraina teo amin'ny faha 71 taonany. "Tenor" malaza eran-tany efa efa-polo taona mahery izao. Tamin'ny taona 1961 tokoa mantsy no nanomboka nalaza ny fahaizany mihira amin'ny Opera. Niitatra era-tany izany lazany izany ka noho izy dia betsaka ny olona no nanjary tia sy nahalala ny momba ny Opera. (tohiny)

P. Paul-Louis: ilo tsy very

2007-09-06 @ 11:40 in Vaovao

P. Paul LouisTontosa ny fandevenana an'i P. Paul-Louis. Napetraka ao amin'ny fasan'ny Zezoita ao Tiburtina izy. Nisy maromaro ihany izahay Malagasy teto Roma no tany, ary nisy vazaha vitsivitsy koa. Koa satria toerana tsy azon'ny fiarakodia tsotra naleha ny toerana namoahana azy dia nakan'ny Zezoita fiarabe iray izay Malagasy te handeha handevina.  Nohiraina teny an-dalana ny hira sasany izay tena nahafantarana azy "Ahiratray ny masonay", "Jesoa Kristy" (Nanjohy iny lalana iny). Tsy afaka tao antsaina ny teny nambarany, indrindra ireo hafatra izay toa efa napetrapetrany tamin'ny lamesa farany niarahana tamin'ny tamin'ny volana jiona. Mandalo tokoa ny olombelona.

Betsaka ny mamy navelan'i P. Paul-Louis. Samy mahatsapa an'izany izay nifanerasera taminy. Ny anisan'ny tsapako dia ny nahatafatsangana ny Aumonerie Malagasy eto Italia izay izy no Aumonier voalohany. Dia ny toriteniny manaitra ny ati-fanahy ihany koa.

Ilo tsy very ao amin'ny tsirairay izany. Mba ho maty namela mamy tokoa izy. Hoy ilay mompera namaly ny teny fampiononana hoe "Nozarazarainy tamintsika tsirairay ny fony... ny fitiavany, mitoetra ao am-pontsika ny zavatra nataony... koa ny fampiroboroboana izany no fahatsiarovana lehibe mendrika azy."

Mandria am-piadanana. 

Blaogy.com sa Blaogy.org? Malalaka ny safidy

2007-01-23 @ 12:10 in Vaovao

Misokatra ihany koa izao ny blaogy.org izay manome antsika blaogy hafa solonanarana.blaogy.org, fitaovana hafa, fomba fiasa hafa, teknika hafa, fa ny tanjona dia iray ihany. Mba hahafahan'ny namana serasera manana toerana azy manokana... amin'ny teny malagasy (mbola lavitra ny ezaka). Miara-mivoatra ny blaogy.com sy ny blaogy.org ary safidy malalaka ho an'ny tsirairay ny hampiasa ny iray na izy roa mihitsy... ny solonanarana ihany no fototra tsy miova. Ary anjaran'ny tsirairay no mampahafantatra ny takelany.

Momba ny fanatsarana dia ezahina hiara-mivoatra izy roa ireo. Somary nomena lanja kokoa ny blaogy.org mandra-pivoakany fa amin'izao kosa dia tsy hisy ny tombo sy hala.

Dia mirary blaogy mahafinaritra :-) 

Vaovao ny taona... ny inona koa?

2007-01-02 @ 10:59 in Vaovao, Izaho sy ny ahy

Vaovao izany ny taona. Dia ny inona koa? Tsy  mbola tafatombona tsara angamba aho dia tsy mbola hitako izay tena tokony havaozina... fa inoako fa misy vitsivitsy tokony hohatsaraina. Holazaina miandalana eo ihany.

 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry