Famadihana, sisan-taolana, inona no ifandraisan'ireto fomba ireto?

Vao avy nitsidika (na natsidika arakaraka izay tiana handraisana azy) an'i Madagasikara ny sisan-taolana (fa tsy razana na taolam-balo) an'i Mb Therese-n'i Jesoa Zazakely sy ny Ray amandreniny tamin'iny volana lasa iny. Nitety fiangonana sy faritra maro manerana an'i Madagasikara. Fotoam-pialan-tsasatra rahateo ny andro ka maro ireo mpino Katolika no afaka nanararaotra sy nahita izany fandalovany izany na dia tany amin'ny fiangonana kely any ambanivohitra aza. Fotoanan'ny ririnina no nandalovan'izy telo mianaka ka nifanandrify indrindra tamin'ny fotoana fanaovana famadihana amin'ny toerana maro manao izany (ny ao afovoan-tany indrindra indrindra). Dia mipetraka ny fanontanian'ny sasany hoe inona no ifandraisany na maha samihafa ireto fomba roa ireto? Zavatra mitovy ihany ve? Mety tsy dia hahavaly tanteraka aho fa hitondra fanazavana sasantsasany fotsiny ihany.

Ny olona mijery ivelany aloha avy hatrany dia manao hitsin-dalana hoe mitovy. Razam-bazaha sy razan-gasy. Samy milanja razana. Tsy lavina avy hatrany izany satria samy milanja raiamandreny be tokoa. Amin'ny famadihana dia avoaka avy ao am-pasana ny razana, olona efa maty tany aloha be tany, karakaraina, fonosana, mba hampidirina ao am-pasana indray. Ny antony namoahana azy avy ao dia ny fahafahana mandamina ny ao am-pasana, mamono lamba mba tsy hiparitaka. Misy avy eo ho an'ny sasany ny fombafomba manaraka ny famadihana. Lanjalanjaina entina mandihy, , fiaraha-milanonana, fivoriam-pianakaviana. Samy manana ny fomba fanaony, notohizany na navelany ny tsirairay. Ho an'ny sasany dia mitahy izy ireo ka misy koa ny fangatahan-tso-drano sy fangataham-pitahiana. Ireto sisan-taolan'izy telomianaka koa dia olona efa maty tany aloha be tany, navoaka tao amin'ny toerana nametrahana azy, dia lanjalanjaina sy entina mitety faritra. Fifaliana sy fandihizana ihany koa na amin'ny fomba maotina kokoa aza. Ary satria ho an'ny sasany dia olomasina, akaikin'Andriamanitra izy ireto, dia misy koa ny fangataham-pivavahana, fangatahana fahasoavana avy amin'Andriamanitra. 

Raha ireo izany no jerena dia misy itovizany be dia be ireto fomba ireto. Tsy mahagaga anefa izany satria misy azo raisina tsara hifanaraka amin'ny foto-pinoana katolika ny fomba malagasy ao anatin'ny famadihana. Ny Katolika, ohatra, dia mino fa tsy maty ny fanahy... ny Malagasy koa dia manaiky fa ny fanahy no maha olona. Ho an'ny Katolika dia akaiky an'Andriamanitra ny olona izay nanana fiainana mendrika sy azo alain-tahaka. Afaka manampy ny olombelona hitondra ny fivavahan'izy ireo eo anatrehan'i Jesoa izy ireny. I Jesoa irery no mpanalalana, ny fiombonan'ny olona masina kosa izay akaiky ny olombelona ara-tantara, dia afaka mitondra ny vavak'izy ireo sy miara-mivavaka amin'izy ireo. Tsy mahasolo an'i Jesoa ny olomasina ho an'ny Katolika fa tombony ho azy ireo kosa. Satria sady afaka mivavaka mivantana amin'i Jesoa ny mpino no afaka mangataka ny olomasina hanohana sy hanampy izany vavaka ataony izany. Ny olona rehetra tsara sitra-po efa maty izany, na Malagasy na vazaha, izay azo heverina fa efa eo anilan'Andriamanitra, olona masina azon'ny tsirairay angatahana hitondra vavaka. Tafiditra amin'io sokajy io ny Razana izay nanana ny maha izy azy fony fahavelony. Ny mampiavaka ireo razana ireo amin'ireo olomasina ao anaty kalendrie dia ilay habe-n'ny olona voakasiny. Ny Razana dia olona vitsy no nahalala azy, olona vitsy raha misy no afaka manaporofo na mahatadidy fa nanana toetra modely tokoa izy. Mijanona ho mpitondra vavaka sy modelin'ireo olona vitsy (matetika taranany) izay mahatoky izany toetra nananan'ilay Razana izany fotsiny ihany izany izy. Azo ekena ho olona masina izy saingy tsy ambara am-pahibe-maso satria tsy nisy fanadihadiana nahafahana nanamarina ny fiainany. Ny olomasina kosa dia niainga tahaka izany ihany. Ny taranany, na ny olona nahafantatra azy dia niezaka nanaporofo fa tena olona nanana ny maha izy azy sy azo alain-tahaka tokoa ilay razam-beny. Nisy ireo vavolom-belona nijoro, nisy ireo tantara nipetraka. Nisy mihitsy aza ireo sahy milaza sy mijoro vavolombelona fa nahazo fahasoavana noho ny vavaka nataon'ilay razana. Rehefa atao ny fanadihadiana ka mitombona daholo ny fijoroana vavolombelona dia eken'ny Fiangonana fa olona nanana ny lazany tokoa ilay Razana ka ambarany fa olomasina ka azon'ny katolika rehetra hangataham-bavaka sy atao ho fakan-tahaka tamin'ny toetra niainany. Izay maha manokana (ho an'ny Razana) sy maha iraisan'ny rehetra (ho an'ny olomasina) izay izany no tena mampiavaka ny Razana sy Olomasina ho an'ny Katolika. Andriamanitra irery no mahalala ny maha masina na tsia ny tsirairay. Ny velona kosa dia miantehitra amin'izay fijoroana vavolombelon'ireo izay nahalala azy manambara ny toetra tsara niainany. 

Raha toa ary ka mijanona fotsiny amin'ny fanajana ny razana, sy fangataham-bavaka na fiaraha-mivavaka aminy, toa ny atao amin'ny olomasina no atao mandritra ny famadihana dia tsy manohitra izany ny Katolika ary tsy miantso izany ho fanompoan-tsampy. Mazava ho azy, miankina amin'ny tsirairay tanteraka eo imason'Andriamanitra izany. Toa izany koa, raha tsy mijanona fotsiny amin'ny fangataham-bavaka sy fiaraha-mivavaka aminy ny fitodihana amin'ny olomasina ataon'ny mpino katolika, dia efa mivoana ho fanompoan-tsampy indray izany ka ilàna fitandremana. Miankina amin'ny feon'ny fieritreretan'ny tsirairay koa anefa no hahafantarana izany.

Koa mitovy ary ve ireo sary ireo? Miankina amin'ny fo sy toe-panahy entin'ny tsirairay tanteraka eo ampanaovana ireo fihetsika ireo izany.
Raha mahaliana anao ny fiheveran'ny Katolika lalindalina kokoa ny famadihana dia azonao vakiana eto ambany.

Mompera Francois de Paule Randriamanalina sj. dia nanoratra ny thèse-ny mikasika ny famadihana sy ny finoana kristianinaESSAI SUR L'INCULTURATION DE L'ÉVANGILE À MADAGASCAR DU FAMADIHANA A LA CHRISTOLOGIE PASCALE http://www.collectionscanada.gc.ca/obj/s4/f2/dsk1/tape10/PQDD_0019/NQ48113.pdf

(Ny sary dia tao amin'ny kaonty facebook-n'i Alisoa)

Atao lavanty ny satrok'i Papa Fransoà

2014-09-17 @ 19:58 in Vaovao, Finoana sy Fivavahana

Ho henonareo amin'ny vaovao malaza ato ho ato io vaovao io. Androany alina tokoa no natomboka natao lavanty ny satrok'i Papa Fransoà, tena satroka nanaovany fa tsy sandoka. Toa izao no fandehan'ny tantara izay nitranga tao amin'ny fandaharan'ny televiziona italiana Le Iene androany 17 septambra... tantara araka ny filazan'izy ireo.

Satrok'i Papa atao lavanty

I Damiano dia tafiditra niasa tao amin'io fandaharana io tamin'ny voalohandohan'ity taona ity. Tsy nahomby loatra anefa izy dia voatery nesorina. Nitady fomba maro izy hanehoana amin'ny tompon'ny fandaharana hoe mahavita zavatra ka ny tanjony dia ny haka ny satrok'i Papa Fransoà.

Ny tanjony dia ny hahazo tso-drano amin'ny zavatra manokana entiny eny amin'ny Papa Fransoà. Nividy satroka mitovy amin'ny anaovan'ny Papa ary izy ka nandritra ny fandalovan'i Papa dia niantsoantso tahaka ny olona rehetra mba horaisin'ny Papa ny satroka nentiny ka hotsofiny rano. Nijanona tokoa ny Papa ka nampanalainy ilay satroka teny aminy. Tsy nampoizina anefa fa dia noraisin'ny Papa ilay satroka ka ny azy indray no nomeny an'i Damiano.

Nentin'i Damiano tany amin'ny tompom-pandaharana ny video rehetra mikasika izany sy ilay satroka koa nanapa-kevitra izy ireo fa hatao lavanty ny satroka ka ny vola azo dia atolotra ny masera mpanao asa soa iray any Congo. Adin'ny iray aty aoriana dia efa tafakatra 80.000,00 Euro ny vidin'ilay satroka ao amin'ny Ebay (Jereo eto).

Jereo eto ny tantara rehetra amin'ny teny Italiana

Là où la politique a échoué, la prière doit réussir

2014-06-11 @ 09:32 in Vaovao, Finoana sy Fivavahana

Tranga iray izay voalaza tamin'ny filazam-baovao maro tamin'iny faran'ny herinandro iny ny fihaonan'ny Papa Fransoà tamin'ny filohan'Israely Atoa. Shimon Peres sy ny filohan'i Palestina Mahmoud Abbas ary ny Patriarka Bartolomeo teto Vatikana. Fitohizan'ilay fanasana nataon'i Papa tamin'ny fandalovany tany Israely hoe "andao hiaraka hivavaka ho an'ny fandriam-pahalemana, atolotro ny tranoko any Vatican hanaovantsika izany fiaraha-mivavaka izany."

Fandriam-pahalemana

Tanteraka tokoa ilay fihaonana ary nanasa (tohiny)

Sorona Masina Alahady amin'ny Android

2014-05-22 @ 06:10 in Informatika, Finoana sy Fivavahana

Navoaka androany indray ny application Sorona Masina amin'ny android. Isaorana be dia be i Jean Frederic R. izay nanome ny lahatsoratra. Mbola natao faran'izay tsotra aloha izy io fa hohatsaraina miandalana ihany.

Amin'izao fotoana izao dia ny vavaka sy vakiteny isaky ny alahady no hita ao ary ny taona 2014 ihany (Taona A) fa hampidirina koa ny taona hafa sy ny andavan'andro atsy ho atsy.

Irariana mba hanampy antsika hidera an'Andriamanitra sy hiaina ny Teniny, tsy any am-piangonana ihany fa na dia any an-trano koa aza.

Azonao alaina ao amin'ny Google Play (Tadiavo hoe Sorona Masina) alaivo eto

Na koa ao amin'ny Katolika.org: http://katolika.org/downloads/document/show/7

Babo

2014-05-21 @ 09:07 in Mozika, Finoana sy Fivavahana

Vitsivitsy ihany ny hira vahiny mahazo avara-patana ato amin'ity blaogiko ity ka ity anakiray ity anisan'izany. Hira evanjelika, izany hoe tena fanaon'ny fiangonana evanjelika, kanefa hiraina matetika amin'ny fotoan-dehibe any amin'ny fiangonana katolika eto Italia ihany koa amin'ny teny italiana. 

Shout to the Lord

 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2017 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry