Tetik'asa Arduino I - Fiara kely

2016-01-24 @ 00:38 in Izaho sy ny ahy, Informatika, Teknolojia

Koa satria ito no tetik'asa voalohany amin'ny Arduino ataoko dia tsara ihany angamba hazavaina fohifohy ny momba ny Arduino ho an'izay tsy mahalala. Raha handalina bebe kokoa dia afaka mandeha ao amin'ny site officiel-n'ny arduino ao amin'ny http://www.arduino.cc. NyArduino dia azo lazaina hoe fitaovana iray (noforonina ekipa italiana) izay tsotra sy misokatra hahafahana manao tetikasa elektronika. Alaivo sary antsaina fotsiny ohatra hoe ny fanokafana vavahady, ny fampandehanana jiro maintso, ny jiro krismasy mifandimbindimby sns. dia azo atao amin'ny arduino avokoa. Ny olona rehetra manana finiavana hikirakira elektronika sy programmation tsotra dia afaka mitrandraka arduino. Betsaka ny fampianarana ao amin'ny youtube izay mikasika azy ka tsy dia manahirana loatra.

Izay no ela fa tamin'ny novambra aho no tena nanomboka nihaona tamin'ny Arduino ka nanana tetikasa voalohany hoe hampandeha ilay fiarakelin'i Aina aminy. 

Fiara efa téléguidé saingy very ny télécommande dia tsy nandeha intsony. Dia nesorina tanteraka ny circuit-ny ka hosoloina Arduino.
Arduino Nano V3 no nojerena tao amin'ny Ebay ka teo amin'ny 6 Euros teo ny vidiny. Ny Arduino nano dia tableau arduino kely. Misy ny zavatra rehetra ao amin'ny Arduino izy saingy kely fotsiny ka mety tsara amin'ity tetikasa ity satria tafiditra ao anatin'ilay fiara. 
Kely dia kely tokoa ny Arduino Nano V3 kanefa mora dia mora tokoa ny vidiny, indrindra raha vidiana ao amin'ny Aliexpress na ao amin'ny Banggood satria mahatratra 2 Euros mihitsy izy any. Ity novidiko ity dia tsy soudé, izany hoe misaraka aminy ny broche ka raha ilainao dia ianao ihany no mi-souder azy. Ny ahy moa no-souder-ko satria hapetraka amin'ny platine d'expérimentation (na breadboard) ary betsaka ny bokotra (pins) ilaiko. 
Ankoatra an'io Arduino io dia nila zavatra roa hafa ihany koa. Ny voalohany dia module Bluetooth HC-06 hibaikoana an'ilay fiara avy amin'ny alalan'ny smartphone. Nisy ny niteny hoe tsy mahazaka 5v io module io na dia betsaka aza ireo ao amin'ny youtube tonga dia mametaka azy amin'ny 5v, koa dia voatery nampandalovina mpampihena courant ilay izy (jereo ilay resistances roa R1 sy R2 eo amin'ny schema) hahazoana 3,3v eo ho eo.  Ary ny faharoa dia ny module Pilote de moteur L9110 izay hibaikoan'ny arduino ny motera anakiroa ao amin'ilay fiara. Misy motera roa tokoa mantsy ilay fiara, ny iray ao aoriana izay manosika sy mampihemotra azy ary ny iray kosa ao aloha miandraikitra ny fiviliana havia sy havanana. 
Ankoatr'ireo dia tena nilaina koa ny tariby isan-karazany izay mampifandray ny Arduino amin'ireocomposants na modules hafa. Tao anatin'ilay fiara indray dia efa nisy fitoerana piles efatra izay 6 volts no fitambarany ka mety amin'ny Arduino tsara. 
Tamin'ny voalohany aho dia nisalasala na Bluetooth no hampiasaina hibaikoina azy na WiFi. Fa hitako hoe Bluetooth no mety kokoa satria afaka ampiasaina na aiza na aiza... 
Eo amin'ny lafiny software indray dia tena mahaliana ny Arduino satria misy ny atao hoe Arduino IDEizay ampidirina amin'ny ordinatera dia afaka mifandray avy hatrany amin'ny Arduino board (tahaka nyArduino Nano). Raha ny tena izy dia mampiasa "language C" amin'ny programmation ny Arduino, ho an'izay tsy dia tia programmation kosa dia efa misy ny fanamboarana tetikasa amin'ny arduino amin'ny alalan'ny kisarisary, azonao jerena eto ny mBlock momba izany.
Toa izao izany ny schema kely mikasika ny branchement. Ialana tsiny fa tsy nianatra electronique aho fa dia izay fahaizako azy tao no natao. Mino aho fa mahita zavatra betsaka hotsikeraina ry zalahy ingénieurtahaka an'i zandrinay :-p  (Sary no-imprimer-na avy ato)
Koa satria matanjaka be ireo moteurs dia tsy zakan'ny Arduino (tonga dia maty ny bluetooth raha vao mihodina ela ny moteur) dia nalaina mivantana avy amin'ny alimentation 6v ny courant mampihodina azy. 
Ny télécommande izay mampandeha azy dia avy ao amin'ny PlayStore antsoina hoe Arduino Bluetooth Car. Efa asehony ao anatin'io fitaovana io ny commandes rehetra ampitainy any amin'ny arduino dia iny fotsiny no ampidirina amin'ny script izay hampiasaina.
Ny zavatra fanampiny dia ny jiro sy ny buzzer (solona klaxon). Tsy eo amin'ny schema eo ambony fa jiro roa sy resistors fotsiny ary haut parleur kely iray nalaina avy amin'ny casque no natsatoka amin'ny broches iray amin'ny arduino.
Ireto ambany ireto ary ny sary sy ny script hanaingo ity resaka ity.

Ny code dia ao amin'ny GitHub : https://gist.github.com/heriniaina/1f8523167df40dbb8c87

Sorona Masina Alahady amin'ny Android

2014-05-22 @ 06:10 in Informatika, Finoana sy Fivavahana

Navoaka androany indray ny application Sorona Masina amin'ny android. Isaorana be dia be i Jean Frederic R. izay nanome ny lahatsoratra. Mbola natao faran'izay tsotra aloha izy io fa hohatsaraina miandalana ihany.

Amin'izao fotoana izao dia ny vavaka sy vakiteny isaky ny alahady no hita ao ary ny taona 2014 ihany (Taona A) fa hampidirina koa ny taona hafa sy ny andavan'andro atsy ho atsy.

Irariana mba hanampy antsika hidera an'Andriamanitra sy hiaina ny Teniny, tsy any am-piangonana ihany fa na dia any an-trano koa aza.

Azonao alaina ao amin'ny Google Play (Tadiavo hoe Sorona Masina) alaivo eto

Na koa ao amin'ny Katolika.org: http://katolika.org/downloads/document/show/7

Fitehirizana sary, flickr, picasaweb

2013-03-06 @ 13:25 in Informatika

Olona tia mampiasa fakantsary aho ary tia maka sary. Tsy tena mahay maka sary nefa fa ilay mitahiry sary sy mijery azy rehefa aty aoriana be no mahafinaritra ahy. Ity lahatsoratra fohy ity dia fizaràna ny fomba fitehirizako sary amin'ny internet, sy ny fikafika madinika mety mahaliana an'ireo izay te hitahiry sary amin'ny internet. Marina mantsy fa manana disques, flash, cd, dvd, sns isika kanefa hafa ihany ny mitahiry sary amin'ny internet. Azo jerena n'aiza n'aiza, mora tadiavina, azo zaraina ho hitan'ny hafa.
 (tohiny)

Arovy ny kaontinao

2013-02-20 @ 00:11 in Informatika

Mirongatra izaitsizy tato ho ato ny mpangalatra kaonty amin'ny internet. Ny ao amin'ny facebook no tena misy lasibatra. Gaga ianao indraindray hoe fomba ahoana no hahatafidirany kanefa ny tenimiafina efa mba atao faran'izay sarotra ihany. Koa ireto misy torohevitra vitsivitsy hiarovana ny kaonty... indrindra ireo izay mametraka ny fiainany manontolo amin'ny facebook :-p (tohiny)

Anaram-bala ".mg"

2012-08-21 @ 08:26 in Blaogy Dev, Informatika

Mba hahafahanao manana toerana manokana amin'ny internet tsy miankina amin'ny anarana hafa (ohatra hoe facebook na google sns) fa anarana tianao sy fidinao manokana dia tsy maintsy manana ilay hoe "Anaram-bala" ianao (nom de domaine). Ny blaogy.com ohatra dia anaram-bala iray ary ny hery.blaogy.com dia zanak'anaram-bala na zana-bala iray (sous domaine). (tohiny)

Tononkira off-line

2011-12-02 @ 00:09 in Informatika

Eo am-pianarana ny language C++ aho amin'izao fotoana izao ary niditra indrindra tao anatin'ny fizaràna momba ny Qt (vakio hoe Cute). Tao anatin'izany indrindra no nisy resaka tampoka avy tany amin'i Raozigasy momba ilay Seraser'alina 3 hoe ataovy ao anaty CD ny tononkira.serasera.org dia ampiasaina amin'ilay koràna. Dia tapaka ny hevitro fa atao fampiharana amin'ilay zavatra ianarako ilay izy. Somary nanjary tsy nirindra ilay fianarana satria izay nilaina hanatanterahana ilay Logiciel kely no natao. Vita tao anatin'ny 3 andro ary ilay izy ka dia hoentina any amin'ny Seraser'alina hoampiasaina. Marina fa application kely faran'izay tsotra fa tena sahirana ihany aho vao nahavita azy. Ilay izy izany dia application hahafahana mitady tononkira sy mamaky izany.

Mazava ho azy fa tsy mila internet ny fampiasana azy...

Toa izao ny patiny... dia aza mihomehy fa zara ara aho nahavita an'io :-)

Tononkira

Picasa no fitaovana atsy ho atsy

2011-09-28 @ 22:38 in Informatika

Koa satria efa hiditra tsikelikely amin'ny fotoanan'ny Google+ isika atsy ho atsy (izaho tsy miteny hoe hiala Facebook daholo). Izany hoe samy hampiasa ny kaonty Google-ny amin'izay (Jereo eto ny momba ny Google+) koa rariny raha aseho anareo amin'ny fomba tsotra ny atao hoe Picasa izay fitaovana fandaminana sy fikirakirana ny sary vokarin'ny Google. Azo ampiasaina dieny izao ny Picasa na dia tsy mbola manana kaonty Google aza.  (tohiny)

Nodimandry ny Mpam's

2010-11-05 @ 14:45 in Blaogy Dev, Serasera.org, Informatika

Tsy hoe avy akory ny orana nefa misy masoandro. Io mantsy no famantarana tamin'izahay mbola kely rehefa misy mpamosavy maty. Fa raha ny fahitako azy dia nanjavona tsikelikely ny SPAM (na PAM'S gasy) tato ho ato. Angamba vokatry ny nanovana ny fond-n'ilay sary kely. Nasiako soratsoratra hafa mantsy ilay sary ka nanjary nifangaro tamin'ilay isa eo amboniny. Raha ny tokony ho izy dia tsy voavakin'ny milina intsony io fa tsy maintsy olombelona mihitsy vao mahita tsara ilay isa... asa anefa fa ny mpam's moa mpam's eny ihany. Fa saika hiteny aho hoe mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valinkitsaka.

 

Raha toa moa ka mbola velona ihany dia ho avy ny fitaovana lafatra kokoa... 

Blender... animation

2010-09-30 @ 10:11 in Informatika

Nanandrana nianatra blender tao anatin'ny ora maromaro aho tamin'ity herinandro ity. Tsy dia ratsy ilay blender raha hanaovana endrika 3D fotsiny. Ny blender dia fitaovana iray fanamboarana endrika 3D. Maimaim-poana izy io ary betsaka ny efa matihanina no mampiasa azy. Ny olana fotsiny dia raha vao manomboka mikitikitika animation dia ela be ny mamoaka azy avy eo.

Ity ohatra ny andrana animation kely natao.

 (tohiny)

Andro fahatelo tsisy Windows

2010-09-29 @ 06:52 in Izaho sy ny ahy, Informatika

Nandritra ny roa andro dia Linux (Ubuntu) fotsiny no nampiasaiko. Ary miditra amin'ny andro fahatelo aho izao. Amin'ny ankapobeny dia mandeha tsara daholo. Ny asa tato am-piasana, ohatra, izay tsy maintsy nampiasàna Internet Explorer (tsy ekeny akory ny Firefox) dia azo nihafiana ihany rehefa mampiasa Google Chrome. Ny documents fijery amin'ny WinWord rehetra dia jerena amin'ny OpenOffice. Rehefa any an-trano koa, ny fichier pdf tany amin'i Rondro novaina ho jpg dia natao tamin'ny Gimp. Amin'izany aho sady afaka mianatra Blender fa mila mahay resaka 3D kely ihany koa.

Androany no mety hisy olana satria misy resaka OCR ny asa atao. Manova texte amin'ny boky ho lasa document azo ahitsy. Izany hoe hampiasa scanner. Raha asa maika dia tsy maintsy hiova windows kely, fa satria tsy asa maika dia vao hojerena sy hianarana indray hoe inona no hanaovana azy.

Hitako izany amin'ny linux hoe raha manao zavatra standard ianao dia mety tsara daholo, fa raha vao manao zavatra manokana kely dia mitady vahaolana. Izany hoe mila mikarokaroka sy mikirakira. Izay no valin'ilay fanontaniana hoe "Maninona no tsy mampiasa linux daholo raha izany?"

USB Over Current Status Detected

2009-06-11 @ 13:58 in Informatika

Misy ordi tonga hoe amboarina ato amiko. Omaly hono izy mbola nandeha fa vao velomina dia maty afaka segondra vitsivitsy. Nony tonga tato amiko izy dia tsy nandeha intsony mihitsy. Dia lany andro nijery hoe inona no tena olana. Tsy nisy courant tonga intsony t@ carte mère ka dia voatery nosoloina ny Power Supply (23 Euro). Rehefa nosoloina ny power supply dia tonga ny courant fa avy hatrany dia misy soratra hoe "USB Over Current Status Detected, Computer will shut down in 15 seconds". Io izany ilay olana hitan'ilay nampiasa ny ordi. Afaka 15 segondra tokoa dia maty ilay ordi. Tonga dia novonoiko avy hatrany satria karazana Court circuit ihany izany Over Current izany (surcharge). Nandramana nohamarinina ny ports USB rehetra na ny tao anatiny na ny tao ivelany, ary dia indro tokoa fa hay niforitra ny port USB anakiray latéral (Front Panel) dia nikasoka t@ boaty ivelany. Io izany no nitarika ny court circuit ka nahamay ilay Power Supply teo aloha.

Mandeha tsara indray ilay ordi amin'izao.

Anaty linux tanteraka

2008-10-20 @ 05:16 in Informatika, Fampianarana

Efa ela ihany aho no nieritreritra ny hiditra lalindalina amin'ny linux. Tsy dia noho izy hoe maimaim-poana loatra (satria hatramin'izay aho mbola tsy nividy Windows koa) fa noho izy azo amboarina araka izay tianao hanaovana azy. Io lafiny io indrindra ohatra no ahafahana mamelona indray ordinatera efa tsy miasa intsony satria tsy mahazaka windows. (tohiny)

Tolotra Boky sy CD Informatika

2008-05-20 @ 10:25 in Informatika

Efa volana vitsivitsy izay dia mandefa Boky sy CD any Madagasikara ny infogasy.net. Amin'izao fotoana izao dia miara-miasa mivantana amin'ny Telomiova.org ry zareo amin'izany ary nomena anarana hoe Tolotra Boky sy CD ilay hetsika.  (tohiny)

Novonoiko Imioly

2007-09-13 @ 23:45 in Informatika

Misy mampiasa emule kalazalahy ao am-piasana dia mihitsoka daholo ny mpijery internet. Raha ny tokony ho izy dia azo ferana ny hafainganan'ny eMule mba hahafahan'ny rehetra samy mahazo ny anjarany. Androany ary dia nanapa-kevitra izahay hamono an'Imioly. Nosakanana tsy hahazo handeha intsony ny eMule mivoaka sy miditra ny tambazotra.  (tohiny)

Hanova DVD ho AVI

2007-09-07 @ 16:09 in Informatika, Fampianarana

Ity dia fomba iray izay hanovana ny kapila DVD ho fichier AVI, mba hahafahana mitahiry azy ao anaty CD, na koa mamoaka azy amin'ny Internet, na mandritra azy ho sarimihetsika vaovao indray (manao montage). Ny fichiers ao anaty DVD mantsy dia tsy voavakin'ny fitaovana rehetra.  (tohiny)

Server under attack

2007-08-28 @ 13:53 in Informatika

Tsy nahavita asa mihitsy indray aho androany maraina hatramin'izao fa voatafika indray ny serveur iray an'ny serasera izay misy ny blaogy.org, baiboly, artiste-malgache.com sy sites hafa vitsivitsy.

 (tohiny)

Variana milalao...

2007-03-10 @ 23:49 in Informatika

Misy zavatra mahavariana ahy amin'izao fotoana izao. Vao nahita ilay atao hoe JQuery aho andro vitsivitsy izay. Nifanojo tanteraka tamin'ny nanavaozana ny Radiovazogasy.com no nahitako azy. Tiako haseho anareo fotsiny zavatra mety ho vitany. Ny zavatra kely efa mba haiko amin'ilay izy ity asehoko anareo eto ambany ity. Ho an'izay efa mahay programmation dia mora ho azy ny mianatra sy mampihatra azy.


 (tohiny)

Nohavaozina ny Radiovazogasy.com

2007-03-07 @ 21:16 in Serasera.org, Informatika

Vita sy naseho vahoaka androany ny Voatra hafa 4 (Version 4)-n'ny takelaky ny RadioVazoGasy.com. Antenaina fa hisy fahatsarany eo amin'ny hafainganana indrindra indrindra. Io no takelaka mampiasa ny Solaitra voatra farany indrindra eto amin'ny serasera ary angamba ato ho ato dia hanaraka azy koa ny takelaky ny namana.serasera.org sy ny hafa. (tohiny)

Fitaovana manakely sy manamboatra sary

2007-01-30 @ 23:19 in Eritreritra mandalo, Informatika

Anisan'ny zavatra mety mahaliana antsika angamba ity, indrindra isika izay zatra mpampiasa sary na amin'ny blaogy izany na amin'ny toeran-kafa. Indraindray mantsy sahirana tokoa fa lasa ngeza noho izay niheverana azy ny sary ka tsy omby eo amin'ny toerana tokony hametrahana azy.
 (tohiny)

Ajax voalohany: radiovazogasy.com

2006-07-28 @ 15:58 in Informatika

Rehefa avy namaky lahatsoratra vitsivitsy momba ny AJAX aho dia nanapakevitra ny hanandrana azy amin'ny site. Dia tao amin'ny radiovazogasy no nametrahana azy. Io izany ny Ajax voalohany natao :-)

Ny hira mandeha sy ny hira handeha no nampiasana azy. Miova ho azy isaky ny iray minitra izy io. Noho ny mety hisian'ny tsy mampiasa javascript dia napetrako ao anaty <noscript> ihany ny zavatra mpitranga mahazatra.

Backup Manager

2006-07-07 @ 05:59 in Informatika

Androany aho vao nahita fitaovana mahafa-po amin'ny fanaovana backup-n'ny serveur. Ity fitaovana ity angamba no hitako hoe feno indrindra raha toa ka te hitahiry ny serveur web sy mysql amin'ny toerana iray hafa (remote) mampiasa ftp.
 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry