Serasera nisolo akanjo tsy satry

2006-05-31 @ 03:57 in Serasera.org

Efa ela no saika hanova kely indray ny endriky ny takelaka namana.serasera.org fa tsy nanam-potoana mihitsy. Fa androany dia tena voatery novaina :-) tsy satry.
 (tohiny)

Telopolo taona lasa

2006-05-28 @ 23:53 in Tsiaro

Tamin'ny 29 mey 1976, efa telo taona mahery aho, ka nisy zavatra tadidiko tsara. Telopolo taona lasa izay no nanaovana mariazy an'i Papa sy Mama, dia nanaovana batemy ahy sy ny zandriko roa. Niaraka natao daholo izany rehetra izany satria izay vao tapa-kevitra ny hiroso amin'ny mariazy ry zareo.
 (tohiny)

Angamba... Fa...

2006-05-27 @ 23:38 in Blaogy Dev

Tsy haiko na naninona aho androany fa niverina tampoka ny tononkalo. Ahatsiarovako ireo namana izay mitaraina hoe avelan'ny olon-tiany irery ao antrano rehefa mody alina iny izy... na ireo ilaozan'ny olon-tiany vao maraina rehefa mi-defoule iny izy sns...
 (tohiny)

Tetikasa fanorona - teti-panorona

2006-05-24 @ 23:10 in Ankapobeny

Angamba dia misy gaga mihitsy hoe inona daholo ity tetikasa etsy sy eroa ity... toa ny etsy tsy vita kanefa ny etsy manomboka ihany. Efa mahazatra ahy anefa ilay manao zavatra be dia be indray miaraka :-) - ny olona rehetra ve moa tsy toa izany daholo - dia ho hita eo izay hihafarany e.
 (tohiny)

Yahoo Messenger, Skype, MSN

2006-05-23 @ 22:02 in Blaogy Dev

Vokatry ny fandrosoan'ny teknolojia dia tsy manahirana intsony ny miresaka mivantana amin'ny olona iray na dia lavitra aza. Mila manana internet fotsiny.
 (tohiny)

Da Vinci Code, hijery sa tsia?

2006-05-20 @ 20:11 in Ankapobeny

Nivoaka teto Italie nanomboka tamin'ny zoma teto ny Codice Da Vinci, izay film anisan'ny be mpiresaka indrindra amin'izao fotoana izao. Miakatra anefa ny polemika momba an'io film io satria betsaka ireo kristianina no tsy manaiky ny sary omena an'i Jesoa ao anatin'ilay film... nanambady sy niteraka sns. Ary indrindra ilay resaka hoe afenin'ny Fiangonana izany fa fantany.
 (tohiny)

Manjelatra ao am Google ny mpikambana serasera

2006-05-18 @ 23:44 in Blaogy Dev

Alina aho nanao fanandrakandramana nijery ny namana malazalaza ao amin'ny serasera.org tao amin'ny Google. Dia hitako fa tafiditra ao amin'ny pejy voalohany hatrany izay tadiaviko. Anisan'ny notadiaviko ohatra pissoa, lapino (be ny lapino fa mbola ao amin'ny pejy voalohany ihany lapino serasera ), fraz, dadabe, voromailala, ari.malala, ravakamalala, Fiffi, lantonirina, sareraka , lemenakely, lanto, vahinala, jentilisa, fasaly, sipagasy sy ny sisa sy ny sisa (tsy voatanisako intsony ) Manjelatra daholo. Ary raha vao asiana serasera fotsiny moa ho an'ireo solonanarana be mpanana dia tonga dia hita...

 (tohiny)

Zo hankahala... tsiky dia ampy

2006-05-18 @ 22:30 in Blaogy Dev

Taorian'ilay lahatsoratra nosoratako farany hoe "Je ne t'ai pas pardonnée" dia be dia be ny fanontaniana tonga taty amiko. Iza io? Fa nisy inona? Inona koa izany lolom-po izany? sns. sns..

 (tohiny)

Je ne t'ai pas pardonnée

2006-05-17 @ 11:59 in Ankapobeny

Il m'arrive de relire ma vie... de me souvenir de certains moments que j'avais souvent envie d'oublier, d'analyser plus profondément mes échecs et mes réussites, et surtout de scrutiner mes relations anciennes et actuelles. Et dans mes lectures, je te vois, encore avec tes insultes. Des informations sur moi dont je ne sais pas d'où tu les as trouvées mais que tu as utilisées pour troubler ma vie, mon émotion, voire mes projets de vie. Des calomnies que tu as essayé de propager autour de toi et qui ont atteint mes amis. De tout ca.. oui. Et maintenant, tu te pointes comme ça en "amoureuse", avec tes "kikoo" et tes "bizz", tes "loll" et tes "kiss", comme si rien n'était. Ca va, tu as le droit de revenir, mais au moins tu dois reconnaitre que tu as blessé plus d'une personne, par tes paroles et par tes actes. Je ne te demande pas de me demander pardon, mais de plutot de respecter ces coeurs offensés... et de te souvenir que nous n'avons rien oublié.

Mission possible

2006-05-15 @ 01:31 in Blaogy Dev

Tsy dia ratsy ilay Mission Impossible III. Efa noresena lahatra mafy hijery ny sasany vao nanaiky... kay nony nivoaka avy ao mba nankafy ihany  (tohiny)

Godaddy accepts at last the * wildcard

2006-05-13 @ 13:37 in Ankapobeny

I really jumped out of the bed (it's past midnight) when I discovered that godaddy, finally, accepts the * wildcard in its DNS manager. I did wait for it for a very very long time and because of that, I had to register some domains elsewhere. It is to be reminded that namecheap.com has that included in its package.

Now then I can start some of my left over projects which were leaning on this feature. Wait and see. 

Nohavaoziko ny takelako :-)

2006-05-12 @ 07:23 in Blaogy Dev

Ok, ny tena takelako ofisialy dia hery.serasera.org izay takelaka mitsipozipozy mihitsy noho ny tsy fananako fotoana hikarakarana azy. Ny manamboatra kiraro hono no ratsy kiraro indrindra e :-) Koa navaoziko kely izy androany. Ny endrika aloha no tena navaozina dia nampidirina koa ny fanovana teo amin'ny modules sasany. 

 (tohiny)

Takelaka vaovao

2006-05-10 @ 01:30 in Blaogy Dev

Dia navoaka androany ny takelaka bizna.serasera.org rehefa avy nokonokononina nandritra ny andro maromaro. Tsy natao version beta toa ny mahazatra satria stable daholo ny lafiny ara-teknika.
 (tohiny)

Sary vitsivitsy 7 mai 2006

2006-05-07 @ 13:28 in Ankapobeny

Koa satria tsy raikitra tamin'ny fotoana farany ny fetin'ny katolika teto Roma dia lasa nirohitra tany Appia Antica indray.

 (tohiny)

Malagasy: foko roa?

2006-05-03 @ 07:07 in Ankapobeny

Namaky ilay lazain'i jentilisa ao amin'ny blaoginy aho dia tena gaga mihitsy amin'ity resaka merina vs. tsy merina ity. Ohatran'ny hoe foko roa fotsiny i Madagasikara, ny andaniny Merina dia ny ankilany Tsy Merina.

Fa maninona no tsy mba mialona sy miady amin'ny Anteisaka ny Sakalava, na mifanenjika amin'ny Mahafaly ny Betsimisaraka? Aza miteny hoe mainty sy fotsy fa misy foko fotsy kokoa noho ny Merina. Tanavo sy tanindrana ve? Fa aiza no misy ny tendrombohitra avo indrindra? Dia tsy haiko ry zareo a. Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho rava ihany io fokofoko io... efa mifanambady daholo izao ny boay kely sy ny sipakely Malagasy samihafa foko. Izay no hitako vahaolana haingana. Afangaroy zalahy a...

Tsikeran'ny sary ao amin'ny namana

2006-05-03 @ 01:12 in Serasera.org

Noho ny abus izay ataon'ny sasany (tsy mataho-tody :-)) dia voatery nampidirina ho ao anatin'ny mainFrame an'ny serasera.org ny fitantanana ny tsikeran'ny sary. Efa niezaka ihany aho ny nametraka ny tsikera ho any amin'ny toerana hafa (haloscan.com) na dia nandoa vola fanampiny isantaona aza, saingy lasa baranahiny ilay izy dia nampidirina ao amin'ny serasera.org ihany.

Ny olana amin'io dia
- Mitombo indray izany ny bandwidth sy ny space ilaina ao amin'ny namana (izay efa manahirana mihitsy)
- Tsy maintsy mandany fotoana kely aloha handaminana azy (manage comments ataon'ny namana tompon'ny sary... etc) fa izany hoe mbola tsy maika io.

Aleo hoa ho manja ilay revy

"Tsiky dia ampy" 

1er mai - Asan'ny fety

2006-05-01 @ 12:22 in Blaogy Dev

Nahafinaritra ny fetin'ny asa androany. Efa nanomboka omaly mantsy e. Fety nitohy ka toa tsy tsaroana akory hoe hiasa rahampitso.

Sombiny an-tsary no aoka hitantara.

 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2006 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry