Raha tany Dago aho...

2006-06-25 @ 22:03 in Eritreritra mandalo

Mandeha ao amin'ny forum serasera.org ao hoe ny gasy miasa aty ivelany dia manompo vazaha... (Tsy hainy aloha ny dikan'ny hoe miasa :-)), ka raha hanompo ihany ve hono tsy aleo manompo gasy?
 (tohiny)

26 jiona tany ho any

2006-06-24 @ 03:08 in Tsiaro

Tonga ny fetin'ny 26 juin dia kay misy 26 juin koa aty Italie (Jereo eto ny sary). Tadidiko fa ny fetin'ny 26 juin no fety malaza indrindra any ambanivohitr'i Madagasikara. Tany amin'ny dezak'i Betioky Atsimo, faritanin'i Toliara (Any amin'izany tanana atao hoe ... tsy holazaiko) dia tsy mahalala fety lehibe afatsy vaintisisy ny olona.
 (tohiny)

Fetin'i Faraniaina :-)

2006-06-18 @ 22:50 in Izaho sy ny ahy

Tsingerin-taona nahaterahan'ilay Faraniaina ny 18 jiona. Faraniaina, Fara, Fafah, Niaina, Pôta, Paulette, fiantsoana azy daholo... arakaraky ny taona nandalovany, arakaraky ny toerana misy azy sy ny olona ifandraisany. Ie, anisan'ny nampiavaka an'i Fara io sarotiny amin'ny anarany io. Indraindray tsy misy mahazo miantso azy hoe Paulette afatsy izaho, indraindray tsy azo antsoina hoe Fara izy rehefa eo akaikin'ny mpiara-mianatra aminy, indraindra rehefa tsy miantso azy hoe Pôta dia ohatry ny tsy olona ao antrano... taty aoriana aza, efa lehibe, rehefa manoratra aty amiko izy dia misy sonia roa ery ambany dia ilay sonia iray nokosehina... tiana ho fantatro hoe tsy io intsony indray no iantsoana ahy fa ity vaovao ity.  (tohiny)

Soratra miteny

2006-06-14 @ 22:26 in Eritreritra mandalo

Amin'ny ankapobeny, rehefa mamaky taratasy avy any amin'ny olona akaiky, na pistily izany na avy amin'ny ray amandreny... dia tena ohatra ny hoe misy aina mihitsy ilay soratra. Tahaka ny hoe miteny aminao mihitsy ilay olona. Indrindra moa rehefa asiany soratra avy amin'ny feo (oh. "ha, ha, ha". Dia toa izany koa rehefa manoratra. Apetrakao ao anatin'ilay taratasy daholo ny fihetsem-ponao rehetra dia eritreretinao hoe hitan'ilay mamaky ny taratasy rehefa avy eo... ary dia mandaitra tokoa.
 (tohiny)

Telo alina

2006-06-13 @ 06:56 in Serasera.org

Fantatrao ve fa teloalina mahery (30.182) no isan'ireo efa nisoratra anarana tao amin'ny namana.serasera.org nandritra izay 3 taona nisiany izay? (Ny takelaka namana.serasera.org dia niforona tamin'ny 2003 fa ny serasera.org amin'ny ankapobeny no tamin'ny 1999)
 (tohiny)

Nandresy hono Italie

2006-06-12 @ 21:59 in Ankapobeny

Na mipetraka eto Italia aza aho dia tsy dia maka italiana loatra rehefa manao baolina ry zalahy. Indrindra moa raha mifanandrina amin'ny Afrikana izy. Teo am-pijerena baolina izahay dia mbola naverimberiko hoe na ny ekipan'i FCB (Footbal Club-n'i Besarety ) aza no mihaona amin'i Italia dia mbola tsy haka Italia ihany aho.
 (tohiny)

Adiresy imailaka @namana.serasera.org

2006-06-11 @ 23:34 in Blaogy Dev

Vokatry ny fanomezana avy amin'ny gmail.com dia manana adiresy miendrika [email protected] 500 izay atolotra ho an'ireo namana izay mangataka izany ny serasera.org.

Raha toa ka tianao ny hanana adiresy [email protected] (ny solonanarana dia ilay solonanarana fampiasanao eto amin'ny serasera.org) dia fenoy ny fangatahana tsindrio eto (Mila mampiditra solonanarana sy tenimiafina namana.serasera.org) . Alohan'izany anefa dia vakio ny tolotra sy ny fepetra. (tohiny)

Dedibox log

2006-06-10 @ 10:32 in Blaogy Dev

Nahazo Dedibox iray izany RVG. Toa izao avy ny zavatra momba izany. Apetrako ato ny sombiny sao mety hanampy. Niandry efa ho 15 jours aloha vao disponible ny serveur. Niandry ny verifications isan-karazany.
 (tohiny)

Fihaonan'ny namana: Roma 4-5-6 Aout 2006

2006-06-08 @ 22:08 in Serasera.org

Dia raikitra izany fa hisy fihaonan'ireo namana ao amin'ny serasera.org amin'ny 4-5-6 aogositra 2006. Eto Roma (Italia) no hatao io fihaonana io. Natao indrindra mba hanararaotan'ireo namana hitsidika izany tanana mandrakizay (ville éternelle) izany. (tohiny)

Server Flood: Tratrako ialahy

2006-06-08 @ 00:14 in Serasera.org

Androany vao tratrako ilay bandy (rangahy ) izay nanao server flood tao amin'ny serasera.org hatrizay. Ny anarany (solonanarany) ve moa dia holazaina eto fa mba mahagaga ahy fotsiny ilay izy.
 (tohiny)

Fanorona: Andrana voalohany

2006-06-06 @ 06:47 in Ankapobeny

Vita aloha ny dingana voalohany ao amin'ilay tetikasa fanorona. Ity dingana ity dia nanamboarana ny vatabe-n'ny kilasy izay entina hampiditra ny fanorona amin'ny takelaka.
 (tohiny)

Lohamilina dokambarotra nisy olana

2006-06-05 @ 06:47 in Serasera.org

Nihoatra indray ny tosaka tao amin'ny lohamilina doka.serasera.org izay misy ny fitantanana ny dokambarotra rehetra eto amin'ny serasera.org  
 (tohiny)

Aniverseran'i Neny Vitinia

2006-06-04 @ 00:20 in Ankapobeny

Malaza mpanao fety mihitsy izahay eto Roma eto , ny weekend tonga no ela dia tsy maintsy misy mahita fety hoforonina foana. Fa ny fety tamin'ny zoma kosa aloha dia fety ofisialy. Fetim-pirenena Italiana sady aniverseran'i neny eny Vitinia.
 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2006 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry