Bye bye serasera yahoogroups

2020-12-06 @ 17:43 in Serasera.org, Izaho sy ny ahy

Lahatsoratro farany tao amin'ny [email protected] 

---------

Miarahaba antsika rehetra

 

Araka ny vaovao izany dia mifarana amin'ity faha 15 ny volana désambra 2020 ity ny Yahoo Groups izay nampiantrano ny dinidinika teto amin'ny Serasera nandritra izay 20 taona mahery kely izay. Nanomboka tamin'ny taona 1999 tany tokoa no nanombohan'ity toerana fifanakalozana ity. Ary ity fifandraisana antsoratra ity no niantombohan'ny hevitra rehetra ao amin'ny serasera.org Nisy ny fotoana tena nilàna izany teo amin'ny fiainan'ny diaspora. Fotoana nahafinaritra ireny ka isaorana antsika rehetra.
Amin'izao fotoanan'ny tambazotram-piaraha-monina izao dia tsy dia misy manoratra eto firy intsony isika na dia mbola mandray hafatra daholo ihany aza. Amin'izao dia misy 1000 mahery ny mpikambana mbola mandray hafatra. Ka angamba hivalona ho tantara amin'izay izany ny Serasera. Raha misy soso-kevitra hafa moa dia raisina ihany.
Koa mamerina ny fisaorana antsika rehetra indrindra ireo izay teto hatramin'ny voalohany, niatrika ny resaka rehetra teto. Angamba nisy vokany tamin'ny fiainantsika, na ny fiainan'ny Malagasy hafa ihany ireny resaka rehetra nandalo teto ireny. Ho ahy manokana dia nampivoatra ny fomba fisainako sy ny fomba fijeriko ny raharaham-pirenena ny fiseraserana teto amin'ny serasera ary nandray anjara tamin'izany avokoa ianareo rehetra.
Ny takelaka serasera.org sy ireo sampana rehetra avy aminy dia ezahiko tohizana ihany.
Soava dia daholo
Hery

 

Mifindra lohamilina koa ny blaogy

2016-03-31 @ 08:57 in Serasera.org

Miezaka mamindra monina ny site blaogy.com ho amina serveur vaovao aho ka raha toa misy olana dia mba ilazao :-) 

[email protected]

Algorithme ohabolana

2015-05-06 @ 22:23 in Serasera.org

Teo am-panatsarana ny takelaka ohabolana (ohabolana.org) aho no sahirana kely satria betsaka ny ohabolana mitovy sy miverimberina nefa ny mpitsidika dia mampiditra ohabolana ihany. Tenenina izy ireo hoe tadiavo aloha, saingy raha diso fanoratra ilay ohabolana teo aloha dia mazava ho azy tsy hitany. Ny rindran-kajy natao koa dia mijery fotsiny raha misy ohabolana tena mitovy izay vao milaza. Fa raha vao samihafa kely fotsiny dia ampidiriny ihany.

Koa amin'izao aho izany dia mandinika hoe inona no fomba mety kokoa mba hampihena ny ohabolana mitovy tafiditra... ankoatra ny fisian'ny olona mandrindra izay mitady ohabolana sy mamafa izay mitovy. Raha misy manana hevitra dia tonga soa. Holazaiko eo ihany ny vokatry ny fandinihana rehefa kelikely.

Fa amin'ny ankapobeny aloha izany dia efa mba vitavita ny takelaka ohabolana.org ka afaka mitady sy mampiditra ohabolana tsara indray. Azo jerena amin'ny finday koa izy amin'izao fotoana izao.

Ito sary ambany ito izao dia mampiseho ny olana... izay tsy maintsy hovahaina.

Nahita portefeuille :-)

2015-01-06 @ 19:19 in Serasera.org

Noho ny antony mazava loatra dia tsy tena sarin'ny zavatra hita no hapetraka eto amin'ity resaka ity. Fotoanan'ny krizy lahatsoratra koa izao (vakansy sns) koa dia itony tantara itony no tantaraina :-)

Avy niara-nivavaka sy nifampiarahaba tratry ny taona tamin'ny namana protestanta izahay ny alahady hariva (rehefa avy nahavita ny anjaran'ny Katolika ny maraina), dia alohan'ny hidirana tao anaty fiara dia nahita poketra (portefeuille) teo amin'ny tany. Nalaina dia nisy cartes de credit maro be tao anatiny (10, eny 10) ary nisy taratasy famelàna hitondra fiara sy taratasy madinika maromaro.  (tohiny)

Serasera 15 taona lasa izay

2014-10-02 @ 21:25 in Serasera.org, Tsiaro

Tamin'ny 1999, 3 oktobra izy izay, no nivorivory teo antokontanin'ny oniversité iray tany Afrika izahay mpinamanamana, niresa-dresaka. Dia nitsiry ny hevitra hoe hanamboatra sehatra iray, amin'ny internet, hifandraisan'ny Malagasy. Dia ny alin'iny aho no nitady ny fomba rehetra hanombohana izany. Nanomboka tamin'ny zavatra tsotra, maimaim-poana, nitady hébergements tetsy sy teroa, maimaim-poana. Dia nivoatra tsikelikely. Dia nalaza be... dia miha-mangina, dia fohazina kely dia mangina indray :-p. Fa ny mahafaly dia mbola mitohy hatrany hatramin'izao. Feno 15 taona androany tokoa izany izao ny Serasera. Betsaka ny nandalo tao, fa misy koa ny tsy mbola nandre ny fisiany... tsy maninona izany, mbola maro ny fotoana hihaonana eny an-dalana eny :-)

Fa tahaka izao aho tamin'izany fotoana izany :-)

Hery 1999

Facebook login sy Google login ao amin'ny serasera

2014-07-22 @ 21:11 in Serasera.org

Vita aloha ny facebook login sy google login amin'ny ankamaroan'ny site-n'ny serasera. Raha manana compte facebook na google dia tsy voatery misoratra anarana amin'ny Vavahady intsony fa avy hatrany dia ny compte facebook na google no idiranao. Na ireo efa manana tenimiafina koa aza dia tsy voatery mitadidy tenimiafina raha ohatra ka ny email any amin'ny facebook na google ihany no ampiasainy.

Google login

Toa io sary io, ohatra, no miseho rehefa hampiditra tononkalo ianao.

Afaka mampiditra tononkalo sy tononkira, midinika any amin'ny forum, mandahatra hira, mitady namana sns... izany ianao raha vao manana Facebook sy Google fotsiny.

Ny olona vaovao mbola tsy mpikambana mihitsy tao amin'ny serasera, rehefa mampiasa ny kaonty Facebook na Google amin'ny voalohany dia angatahany mba hamorona solonanarana. Ny eto amin'ny serasera.org tsinona dia ny solonanarana no mitranga rehefa mametraka zavatra iray (tononkalo, tononkira sns), koa ilaina ihany ny mametraka ny solonanarana. Amin'ny voalohany ihany no toa izany fa avy eo tsy misy fangatahana solonanarana intsony.

Ho avy tsy ho ela koa ny Twitter sns.

 

Serasera.org takelaka miteny malagasy nandritra ny 15 taona

2014-02-21 @ 09:09 in Serasera.org, Kolotsaina

Koa satria andro natokana ho an'ny tenin-dreny androany (nahoana no androany fotsiny?) dia mba haneho amim-panetren-tena ny ezaka nataon'ny serasera.org mikasika ny fanajana ny tenin-drazana, ny teny malagasy, aho amin'ity lahatsoratra iray ity. 

Raha niforona tamin'ny oktobra 1999 ny serasera dia anisan'ny nanentana tao anaty ny hoe fitaovam-pifandraisana amin'ny teny malagasy. Ny teny malagasy sy ny kolotsaina malagasy hatrany no nanentana isaky (tohiny)

Tononkira Malagasy amin'ny Android

2013-09-17 @ 13:56 in Serasera.org

http://forum.serasera.org/media/images/m/122e840dc5869b9349a08ee4fc74a092.jpgDia vita soa amantsara omaly alina izany ny Tononkira Malagasy amin'ny android. Afaka mandeha amin'ny telephone sy tablet misy Android rehetra. Ny tononkira ao anatiny dia izay tononkira hita ao amin'ny takelaka tononkira.serasera.org ihany saingy tsy mila connexion izy dia mandeha. Izany hoe azo ampiasaina na any ambanivohitra aza :-p (tohiny)

Folo taona koa ity

2012-10-19 @ 11:17 in Serasera.org

Folo taona toa izao no nampidirina voalohany tamin'ny serveur ny namana.serasera.org.  Ny 19/10/2002 izany no azo lazaina fa nahateraka ny namana.serasera.org, telo taona taorian'ny niforonan'ny serasera.org amin'ny ankapobeny. Mbola tsy nisy facebook tamin'izany fa tao no efa afaka nifandefa hafatra, nifampijery sary, nifampiditra namana... nifampiresaka mivantana. Izany hoe ny ankamaroan'ny zavatra natao tato amin'ny facebook taty aoriana ihany.

Ny tena antony nipoirany dia ny hampifandray be be kokoa ny Malagasy amin'ny alalan'ny internet. Ary anisan'ny zava-dehibe nilofosana ny hoe "teny malagasy ranoray". Tamin'ny 1999 raha niforona ny lisitra serasera.org izay fifandraisana amin'ny alalan'ny email, dia mbola tamin'ny email fotsiny no nifankahalalana. Tsy mbola afaka nahita mombamomba an'ilay olona hafa raha tsy hoe hanontany. Nony niverina tany Madagasikara aho dia nahita fa efa misy manana fifandraisana amin'ny internet ihany ny olona na dia mbola vitsy aza. Mbola vitsy dia vitsy tamin'izany ny cyber-café saingy efa nisy. Nitsiry ara ny hevitra niaraka tamin'ny namana iray fa hitarina amin'ny fifandraisana sy fihaonana ny serasera... nantsoina anjambany hoe "Site de rencontres" satria mbola tsy nisy ny voambolan'ny "Social Network" tamin'izany, dia natsangana ny namana.serasera.org.

"Betsaka" avy hatrany ny nazoto, ary mbola any avokoa ny ankamaroan'ireo namana voalohany, na dia efa samy lehibe aza. Nitalahoana mihitsy ny ankizy tamin'izany hampiditra sary. Nisy fotoana aza moa nanaovanay séance photo nandritra ny iray andro tao Ampefiloha. Nantsoina izay te hametraka sary nefa tsy manana fakan-tsary na tsy mahavita scanner any amin'ny cyber mba ho tonga halaina sary ao Ampefiloha... dia nisy vitsivitsy tonga tokoa :-)

Nisesisesy ny fihaonana rehefa avy eo. Voatahiry ao amin'ny forum sy ao amin'ny tahirintsary ny sasany... nahafinaritra hatrany. Fa nisy koa ny tsy nifankahazo, niady, nisaraka, ny nifamerina, ny tsy nifankafoy... ary na hatramin'izao aza dia mbola tsy mifankafoy. Ny sasany moa nahasahy nifampilaza anarana sy sary tao amin'ny facebook hatramin'izao, ny sasany nivady arahin-janaka, ny sasany tsy mifampiteny intsony, fa mbola misy koa ny mijanona ao amin'ny serasera, mamangy tsindraindray, miresaka tsindraindray, mamorona fifandraisana vaovao sns.

Azoko lazaina hoe tsara ny vokatry ny jery todika nandritra izay folo taona lasa izay. Mbola velona hatrany ny namana.serasera.org ary mbola malagasy ranoray hatrany hatramin'izao... mbola tsy mampidi-bola hatrany ihany koa :-) nefa mbola mahavita tena. Mbola misy ny namana vaovao miditra, na dia misy aza ny tsy hita intsony.

Dia samy ho tratry ny 10 taona manaraka indray :-)

Akon'ny vakansy 2012

2012-08-17 @ 13:34 in Serasera.org

Tato ho ato aho tsy nanoratra teto. Mbola nisalasala aho hoe hotohizako toy ny taloha ve sa hovaina ny zavatra hosoratana. Matetika mantsy dia zavatra mikasika ahy manokana, ny zavatra ataoko, ny zavatra mahaliana ahy no tena soratako... ary tsy dia nivakiako loha na mahaliana ny hafa na tsia. Amin'izao dia miha betsaka ny mamaky (na mahavaky) ny blaogiko. Misy ny olona tsy fantatro akory, misy ny tsy ho liana mihitsy amin'izay hosoratako, dia nieritreritra aho hoe sao dia tokony hovaina ny zavatra hosoratana sy ny fomba fanoratra azy? Sao dia tokony hovaina ny fiteny sy ny endriny? Dia niverenako novakiana ny lahatsoratra sasany nosoratako toa ity hoe I'd rather be a blogger ity ny eritreritra mandalo (ato) rehetra dia tapakevitra indray aho hoe hotohizana toy ny taloha ihany ny blaogy. Resaka ankapobeny manokana na tsia... misy rahateo ny sokajy azo ametrahana azy. Izay azo raisina dia raisina, izay tsy azo raisina dia raisiko :-)

 (tohiny)

Toy ny vao omaly

2012-05-17 @ 04:21 in Serasera.org

8 years

Pidgin, fitaovana ampiasaiko amin'ny Karajia

2012-01-27 @ 22:48 in Serasera.org, Fampianarana

Araka ny nampanantenaiko ankizy vitsivitsy dia tiako haseho anareo amin'ity lahasoratra an-tsary ity ny fomba fampiasana ny Pidgin mba hahafahana mikarajia haingana sy mahafinaritra ao amin'ny karajia.org.

Voalohany indrindra aloha, ny karajia.org dia takelaka iray izay hahafahanao miresaka (mifanoratra) mivantana amin'ny namana maromaro. Tsy mitsahatra ny misy namana gasy ao 24 ora isanandro. Ka raha sendra mangingina iny ianao na te hiresaka amin'ny namana gasy na dia tsy mifankahafantatra aza dia midira ao amin'ny karajia.org.

 (tohiny)

Toa izao ny revinay ao amin'ny karajia

2011-10-20 @ 06:34 in Serasera.org

Ny karajia.org dia toerana iray ifanoratana mivantana. Misy olona maromaro, efitra maromaro, zavatra azo atao maromaro. Misy olona foana ao na dia alina be aza satria tsy mitovy ny ora... fa ny tena maha be olona dia amin'ilay maraina amin'ny 10 ora ao Madagasikara sy amin'ny 3 tolakandro ao Madagsikara iny. Ny antsoiko hoe karajia eto dia ilay resaka mivantana na chat (Vakiana hoe "Tchatte" sy hagasian'ny namana hoe tsaty).

alt

 (tohiny)

Vaovao aty Italia

2011-10-14 @ 18:40 in Serasera.org

Any ianareo any Madagasikara,

Aza miaintaina ianareo raha maheno matetika vaovao mikasika an'i Italia. Atao hoana fa dia malaza mihitsy ity firenena ity amin'izao. Na izany aza anefa dia salama saina tsara daholo izahay.

Marina tokoa ny nolazainreo fa praiministra aty ilay Berlusconi. Io no fanoratra ny anarany fa tsy "Very Loha sy Con" izany na dia tena manomboka very saina tokoa aza izy. Mbolaa praiminisitra izy ary tsy mieritreritra ny hametra-pialana na dia imbetsaka aza no voarohirohy amin'ny resaka maro. Ka eto Italia tsy mb mitovy amin'ny firenena hafa aty Eoropa fa mitovy amin'ny any Afrika ihany. Misy aza efa tokony higadra ny politisiana dia avoakan'ny namany anaovana latsa-bato mihitsy.

Mianatra tsara ny ankizy amin'izao. Napitsangam-bolo ahy fotsiny androany ny nihaino ny resaky ny mpiara-miasa aminay iray manan-janaka efa mianatra any amin'ny scuola materna an'ny fanjakana. Mba misy ao anatin'ny fandaharam-potoana hono hoe misy heures d'informatique, dia nasaina nividy boky ny ray aman-dreny, kinanjo kay tsy misy ordinatera akory ao amin'ilay sekoly. Tsy mbola nomen'ny fanjakana dia bbangoana fotsiny ao ny salle. Dia zavatra tahaka izany no hanabeazana ny zanakay aty.

Andefaso voajobory sy vary mena rehefa misy mandeha aty. Ny vary mena no tena hahaatsiarovanaa ny any an-tanana rehefa manao sosoa hariva iny. Ny vary aty efa nisondrotra daholo. Tsy misy azon'ny 1 euro na telo arivo ariary toyy ny taloha intsony ny kilao. Indray mandeha isanandro sisa no mba mihinam-bary. Ny voanjobory koa no mandefasa, namboly izahay fa tsy mety vanona.

Ary inona ny vaovao any? Toa lava be hono ny teteza-mita? Fa inona mihitsy no iampitana? Aza manaiky an'izany hanao CST izany aloha fa sao dia fanambatambazana izany. Aleo miandry fifidianana ihany... Sady vitantsika io izao no malaza.

Izay aloha ary fa tonga ihany ny train nandrasako. Tara 45mn ilay izy dia nanararaotra nanoratra aho.


Inviato con Windows Mobile®.

Tahaky ny vizana le FB

2011-10-14 @ 15:02 in Serasera.org

Tsy dia ilay hoe izaho mitongilana kokoa amin'ny Google+ no antony anoratako ity fa hitako miha ratsy ilay Facebook.

Ny zavatra tsapako dia tsy hitako intsony ny zavatra malaza soratan'ny namako taloha. Taloha rehefa manokatra FB dia zavatra mahaliana avy hatrany no hita voalohany. Amin'izao dia mifangarongaro be ka manjary jerena tsirairay ny profile-n'ny namana. Ny tena mampihomehy dia zavatra hita ao amin'ny Google+ io saingy noho ny fahafahana manaraka "Cercles" ao amin'ny G+ dia tsy very.

Zavatra anakiray hitako ihany koa nampidirin'i FB dia ilay resaka "Zarao" (partager). Mifampiditra ilay izy dia mikorontana. Ao amin'ny G+ dia rehefa mizara zavatra irayy ianao dia mifindra any amin'ny rindrinao ilay zavatra nozarainao ary reference fotsiny sisa ny hoe taiza ny loharano. Raha misy mizara fanindroany izany iny dia tsy mifampiditra ka tsy misy ifandrasany mivantana amin'ilay loharano voalohany. Ao amin'ny FB dia mifampitaritarika eo daholo na ny loharano na ny nizara.

Na izany na tsy izany dia mbola any aloha ny ankamaroan'ny olona. Ny G+ rahateo mbola matotra loatra ka sarotra ho an'ny sasany ihany ny hampiasa azy.


Fampidirana sary Facebook

2011-03-18 @ 15:43 in Serasera.org

Noezahina nahitsy sy nandramana omaly sy androany ilay fampidirana sary avy ao amin'ny Facebook mankao amin'ny namana.serasera.org dia hita fa efa mandeha. Izany hoe na omaly aza izy dia efa nety fa miadana be fotsiny ilay dingana lalovana. Noezahina notsotsorina izany dingana izany ka mba efa segondra vitsivitsy sisa dia miseho ny sary. (tohiny)

Mersenera informatika

2011-03-08 @ 21:50 in Serasera.org

Tsia, tsy ilay resaka roa farany nataoko teto amin'ny blaogy talohan'ity no tena anton'ity lahatsoratra ity fa zavatra hafa mihitsy. Fotoana elaela ihany izay dia manafika be mihitsy ny spam teto amin'ny blaogy.com, na ireo mpametraka lahatsoratra feno dokambarotra eny amin'ny hevitra rehetra eny amin'ny blaogy eny.  Notadiavina ny vahaolana dia mba nihena kely ry zalahy fa mbola tsy fongana ihany. Tamin'iny herinandro iny ary dia ilay fitaovana hoe reCaptcha no nampiasaina (Eny, novidian'ny google ihany koa ny reCaptcha). Hitako nihena be ny spam fa mbola misy ihany :-)

Dia nitaditady tetsy sy eroa aho hoe vitandry zalahy koa ve ny nandrafa ny reCaptcha? Koa tsy maty antoka i Google nividy azy? Avy eo nefa hitako nisy nilaza fa tena olombelona no mametraka ireny spam ireny indraindray. Izany hoe misy manakarama mihitsy ry zalahy hametraka pub be dia be izay tratra.  Mazava ho azy fa tsy mahavita betsaka tahaka ny taloha izy fa mbola mahavita ihany: copier-coller dia vita. Koa raha io no marina, dia tsy ho voasakana mihitsy na dia hasiana fametrahana lavotondro aza alohan'ny  hametraka hevitra. Afaka adidy aho noho izany an :-)

Fa miresaka an'ireo mersenera informatika ireo ihany dia hasiako resaka fara-parany ilay nolazaiko tamin'ny lahatsoratra roa talohan'ity. Efa mila ho azo antoka izao fa ry zalahy avy ao amin'ny RTA no tena migafy ao amin'ny karajia.org. Avy any Madagasikara izy na dia noheverina hoe avy aty andafy aza teo aloha. (Sa ilay akama lasa nanao vakansy any Dago?). Olona vitsivitsy izy (ekipa) fa tsy olona iray. Ankoatra ny fampiasana proxy anonyme, izay efa voasakan'ny fitaovana napetraka, dia manjary miovaova ip koa ry zalahy ary ip any Dago no ampiasainy. Client-n'ny moov aloha ry zalahy. Ary mino aho fa voakarama ry zalahy satria nahoana? Raha olona tsy mahazo tombony manokana, tombony ara-bola bebe mihitsy, dia tsy handany adin'ny 6 mahery mandritra ny iray andro hitadiavana fomba hanafihana ny kaajia. Tena miezaka mitady ny fomba rehetra mihitsy (hatramin'ny mandoa vola hividianana vpn). Koa efa tonga any Dago koa izany izao ny mersenera informatika.

Tsy mampaninona aloha raha mahazo vola sy mahazo tombony tokoa... efa mba misy iray mahazo tombony fa tsy hoe ry zalahy maty antoka moa izaho koa maty antoka. Tsiky dia ampy :-)

 

 

Toe-draharaha karajia.org

2011-03-06 @ 07:05 in Serasera.org

Efa andro vitsivitsy izay no niadiana tamin'ireo bandy  mpigafy ao amin'ny karajia.org. Efa nisy ihany ireo fepetra noraisina vitsivitsy saingy tsy afaka manoatra firy satria manjary betsaka koa ny ankizy voasakana raha tena ampiharina daholo ny fitsipiky ny aro loza rehetra. Ny hirariana fotsiny dia mba ho eo hatrany ny ops rehefa raikitra ny fanafihana satria azon'ny op sakanana ihany ilay izy.

Fa toa izao ny zavatra kely azo zaraina momba io karajia.org io.

Nanomboka tamin'ny 22 janoary 2010 dia naka lohamilina (serveur) manokana ho azy ny karajia.org rehefa avy nampiasa ny tambazotra (reseau) epiknet.org nandritra ny 7 taona. (Tamin'ny 2003 tokoa mantsy no nanomboka nisy chat teto amin'ny serasera ka tao amin'ny epiknet.org no nangataka trano.) Tsy dia sarotra loatra ny nametraka ilay lohamilina satria natao faran'izay tsotra. Araka ny nolazaiko dia tsy dia nandaniana andro be loatra ny resaka fiarovana satria tsy noheverina hisy hanafika izany mihitsy izy io.

Nanomboka nisokatra tsara tao amin'ny tambazotra karajia.org ary ny efitra #serasera ny 23 janoary 2010 izay efitra ofisialy voalohany. Misy eo amin'ny 50 eo ny salanisan'ny ankizy mi-chat ao isanandro. Misy fotoana mahatratra 80 tsy ao anatiny ny robots isankarazany.

Nanomboka tamin'ny Jolay 2010 dia notehirizina ny resaka rehetra mandalo eo amin'ny efitra #serasera. Nanomboka tamin'io ka hatramin'izao anoratako izao dia mahatratra 1.489.844 ny isan'ny andalana voasoratra tao. Mahatratra 34.573 kosa ny isan'ny solonanarana efa nandalo tao. Marihina fa ny solonanarana iray dia tsy midika hoe olona iray. Amin'izao dia 19 ny efitra voatahiry ankoatra ireo efitra izay foronin'ny ankizy fa tsy tehiriziny.

Misy solonanarana voatahiry (enregistrés) 129 amin'izao fotoana izao. Marihina fa ny solonanarana voatahiry dia voafafa ho azy ao anatin'ny 40 andro. Ireo solonanarana 129 ireo izany dia ireo izay nampiasaina tao anatin'ny 40 andro farany.

Raha ireo rehetra ireo no dinihina dia rariny ihany raha misy manafika isanandro ny karajia.org. Izy no chat gasy tranainy indrindra, izy no chat gasy be mpi-chat indrindra, izy no manana mpikarakara be fandeferana indrindra :-p

Koa mahereza fa ny lalao mbola ho ela

Karajia under attack

2011-02-23 @ 17:16 in Serasera.org

Niharan'ny fanafihana mahery vaika (lol) tato ho ato ny serveur irc-n'ny karajia.org. Mikolay daholo ny ankizy rehefa tena raikitra ilay izy. Eny e, tsy dia tena mahery vaika manao ahoana fa manelingelina fotsiny. Ary raha ny tokony ho izy ary dia tsy tokony hiseho akory ilay izy... fa izany hoe nisy.

Tsy tokony hiseho satria serveur privé ny karajia.org, tsy dia misy hoe olona hafa avy any ivelany mampiasa. Ny efitra ao dia ny an'ny serasera ny ankamaroany. Olona fantatra daholo na mifankahafantatra daholo (virtuellement) no tena ao. Noho izany tsy dia misy handany ron-doha hanafika ao satria tsy misy tombony. Izany rahateo no tsy nandaniako ron-doha hiaro be loatra an'ilay serveur. Mandany ressources sy fotoana fotsiny kanefa tsy hisy hanafika akory. Eritrereto hoe mipetraka any ambanivohitra lavitra andriana ianao, ianao sy ny fianakavianao irery no eo amin'ny tanàna... tsy manana harem-be sy ny sisa... dia matetika tsy manidy trano. Toa izany no niheverako ny karajia.org

Tato ho ato anefa dia tonga ny mpamosavy malemy. Ny ao antrano ihany no asiana. Araka io nolazaiko eo ambony io dia tsy olona avy any ivelany fa tsy maintsy izahay samy izahay ao ihany. Mampiasa izao fitaovana rehetra (andaniana vola mihitsy) hanafihana ny réseau karajia.org. Betsaka ny karazana attaque ataony amin'izany, flood, cycling, CTCP flooding any amin'ny mpitsaty hafa. Misy ny ankizy izay tsy tapaka matetika satria tonga dia mitobaka be ny tosaka alefany dia tapaka ny fifandraisana. Mamorona canal manokana mihitsy dia izy irery no mi-flood ao mba handavoana ny serveur.

Androany ary dia tafaresaka izahay roalahy (sa mianadahy satria tsy hay na lahy izy na vavy). Dia fanadrohadroana an-kolaka moa no nataony voalohany, toa ny hoe "reraka ve" sy ny hoe "hosakanana koa izany ity". Izaho kosa nanontany ny tena anton'ilay fanakorontanana. Nolazainy tamin'izany fa manandrana sy mianatra izy. Dia eto amin'ny serasera no mampiasa izay kely hainy. Dia nijanona tamin'ny "hahaha" sy ny "mdr" moa ny resaka nifanaovanay. Izaho rahateo amin'io sady miezaka misakana ny zavatra ataony atsy ambadika ihany.

Koa androany izany dia lany indray ny tapakandro hariva nametrahana tao amin'ny karajia.org ireo fiarovana rehetra tokony atao amin'ny reseau lehibe... na dia tsy lehibe aza ny karajia.org... vokatry ny nataon'olona iray. Manampy ahy hianatra be be kokoa koa izay... Tsiky dia ampy fa nandany fotoana sy ron-doha fotsiny.

Miandry ny tohiny indray izany izao.

Nodimandry ny Mpam's

2010-11-05 @ 14:45 in Blaogy Dev, Serasera.org, Informatika

Tsy hoe avy akory ny orana nefa misy masoandro. Io mantsy no famantarana tamin'izahay mbola kely rehefa misy mpamosavy maty. Fa raha ny fahitako azy dia nanjavona tsikelikely ny SPAM (na PAM'S gasy) tato ho ato. Angamba vokatry ny nanovana ny fond-n'ilay sary kely. Nasiako soratsoratra hafa mantsy ilay sary ka nanjary nifangaro tamin'ilay isa eo amboniny. Raha ny tokony ho izy dia tsy voavakin'ny milina intsony io fa tsy maintsy olombelona mihitsy vao mahita tsara ilay isa... asa anefa fa ny mpam's moa mpam's eny ihany. Fa saika hiteny aho hoe mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valinkitsaka.

 

Raha toa moa ka mbola velona ihany dia ho avy ny fitaovana lafatra kokoa... 

Efa 10 mahery tsisy FB... nefa tsy maninona

2009-12-16 @ 15:11 in Serasera.org

Folo andro mahery aho izay no nanao veloma ny FB (FB sisa no iantsoako an'io loll). Nisy ihany ny namako gaga sy nalahelo :-)... ahoana koa hono izany hoe mafana fo be izany dia avy eo tonga dia miaps'. Ny sasany tsy mino, tsy vitako hono izany. Ny sasany niahiahy, fa nisy inona hono... afera privée sa nanao fika maizina. Fa be dia be koa no tsy niraharaha sy tsy nivakl... soa ihany fa misy ireo :-) (tohiny)

Hitady namana

2009-12-09 @ 14:37 in Serasera.org

Hitako nisy tsy nety kely ny fitadiavana namana teo aloha teo. Raha vao miteny hoe lahy na vavy dia tonga dia tsy misy na inona na inona hita. Amin'izao dia efa mirindra tsara izany. Ahoana ny fomba fitadiavana namana?

1. Mandehana ao amin'ny takelaka namana.serasera.org 

2. Tsindrio ilay hoe Hitady namana na http://namana.serasera.org/namana/tadiavo

3. Fenoy eo ny mombamomba ny namana hotadiavinao (toerana ipetrahana, taona, etc.)

4. Mba tsy hitadiavana azy intsony amin'ny manaraka dia ataovy ho namanao manokana ny namana hita. 

 

Immaculée Conception

2009-12-08 @ 18:37 in Serasera.org

Fety taty Italia androany, andro tsy fiasana. Ny maro moa efa nanalava ny weekend hatry ny asabotsy. Betsaka no tsy mahalala akory ny dikan'ilay fety. Nisy resaka henoko aza androany, naka an-keviny an'ilay hoe Immaculée conception, dia hoe androany no fahatsiarovana ny nitorotoronina an'i Jesoa... dia nisy namaly hoe fa angaha tsy 9 volana alohan'ny 25 desambra no tokony ho izy sns.

Na dia azo tadiavina amin'ny toerana maro tahaka ny ato amin'ny Wikipedia aza ny tena dikany dia lazaiko fohifohy eto fotsiny. 

Ny fety androany izany dia fety katolika fahatsiarovana ny nilazana fa foto-pinoan'ny Fiangonana Katolika ny filazàna an'i Maria renin'i Jesoa ho Madio tsy azon'ny fahotàna tamin'ny fototra. Tamin'nuy taona 1854 ny 8 desambra no nanambaran'i Papa Pio IX izany foto-pinoana izany.

Araka ny finoan'ny Fiangonana Katolika dia voaloton'ny fahotàn'i Adama sy Eva avokoa ny olona rehetra na dia vao teraka aza. Io ilay hoe Fahotana tamin'ny fototra na péché originel. I Maria renin'i Jesoa kosa amin'ny maha-Andriamanitra an'i Jesoa zanany, Andriamanitra tsy voakasiky ny fahotana mihitsy, dia tsy maintsy tsy voakasiky ny fahotana ihany koa... raha tsy izany dia voakasiky ny fahotana i Jesoa. Ny andalan-tsoratra masina isintomana izany, tahaka ny lahatsoratra fototra isintomana ny foto-pinoana mikasika an'i Maria rehetra dia ilay hoe "Feno hasoavana" Lk. 1, 28

Ny fety androany izany, alohan'ny maha fety fankalazana an'i Maria azy dia fety fankalazana an'i Jesoa amin'ny maha Andriamanitra azy. Ny maha-"Immaculée" an'i Maria dia noho izy Renin'Andriamanitra. Fanomezam-pahasoavana ho azy vokatry ny maha renin'Andriamanitra azy ihany izany ka izay fahasoavana azony izay no hankalazàna azy.

Bonne fête... dia tratry ny tsingerintaona nahaterahany koa ilay namako izay raha hitany ity (inoako fa mahoraka be any @ Facebook any fa izaho moa efa tsy any :-) )

Azo henoina avy hatrany ny sombinkira radiovazogasy

2009-12-01 @ 16:58 in Serasera.org

Indraindray rehefa mandahatra hira ao amin'ny Radiovazogasy.com dia manao anjambany fotsiny fa tsy fantatra na tena ilay hira noeritreretina no angatahina na tsia. Rehefa tena tonga ilay fotoana hihainoana an'ilay hira, minitra maromaro aty aoriana, dia indraindray diso fanantenana satria hay lohateny mitovitovy fotsiny ilay izy. Manomboka izao ary dia  (tohiny)

Eritreritra mandalo

2009-11-23 @ 15:41 in Serasera.org

Eo am-pampidirana tsikelikely ny Eritreritra mandalo ao amin'ny namana.serasera.org aho amin'izao. Efa nandeha nanomboka omaly izany. Ny Eritreritra mandalo dia toerana hampidiranao izay zavatra tianao hozaraina amin'ny olona fotsiny tsotra izao.

Raha efa nampiasa valam-piarahamonina hafa ianao (myspace, facebook, orkut, hi5, buddypress) dia io no ilay antsoindry zareo hoe "status", na "fil d'idées", na "wall" na "wire"... Dia nisalasala aho hoe inona no hiantsoana azy eto amin'ny serasera? Saika natao hoe "Indraim-bava" fa tsy dia niraikitra loatra na dia fohy aza. Koa dia eritreritra mandalo no hita fa mety.  

Azo zaraina daholo izay mandalo fa aza ratsy eritreritra fotsiny. 

http://namana.serasera.org/namana/post 

Nivaha ny olan'ny @serasera.org

2009-11-12 @ 09:32 in Serasera.org, Izaho sy ny ahy

Androany vao voavahako ny olan'ireo izay manana adiresy @serasera.org sy @namana.serasera.org, izaho anisany. Tsy maharay ny email rehetra miainga avy ao amin'ny serveur-n'ny serasera.org mihitsy izahay hatramin'izay. Na fanovana tenimiafina izany, na filazana hoe misy hafatra voaray sns. Ny antony dia satria tsy alefan'ny serveur mivoaka mihitsy ny email fa heveriny hoe "local delivery" dia nefa tsy hitany ao amin'ny "local" ilay adiresy dia mi-bounce fotsiny dia very any. 

Sendra hitako t@ internet ary hoe mila asiana MX entry ao amin'ny local zone-n'ny DNS. Dia atontona any amin'ny mx-n'ny google izany dia nety ilay izy. Toa izao izany no nampidirina tao.

serasera.org. IN MX 10 aspmx.l.google.com. serasera.org. IN MX 20 alt1.aspmx.l.google.com. 

  

Hisy tantara izany androany... efa henoko :-p

2009-11-04 @ 09:13 in Ankapobeny, Serasera.org

Hanomboka androany alina amin'ny 20h30 ny tantara ao amin'ny Radiovazogasy.com. Vao fanombohana io ary vao fanombohana ny amin'ity roa volana faran'ny 2009 ity. Noho izany dia indroa isambolana ihany no mbola hisy tantara ary tantara iray ihany no averina henoina amin'ny alarobia fahatelon'ny volana. 

Manana tantara "ordinera" betsaka ny Radiovazogasy, tantara nandeha t@ radio hafa taloha, ary efa saika resy lahatra aho hoe ireny tantara ireny no hamenoana ny banga, kanefa toa mahafinaritra koa ilay "ekstraordinera". Ny maha-hafa kely ny tantara tiana havoaka ato ho ato dia satria "isika" ihany no milalao azy. Izany hoe tsy matihanina fa dia namana mitovy amin'ny tena. Ny tantara holalaovina moa dia izay atolotry ny mpanoratra fantatra na ny namana ihany koa.

Androany hariva ary dia ilay tantara hoe "Antso diso" nosoratan'i FX Manah no handeha. Rehefa henoina dia mahafehy tsara ireo nolazaiko eoambony ireo. Dia mampiteny hoe "Alefaso koa ny manaraka eeee...".

Aza adino ary (tsy maninona na adino aza fa mbola misy @ tapabolana), androany alina amin'ny 20h30 dia averina indray amin'ny tapabolana amin'ny 20h30.

Ny sosokevitra alefaso ihany rehefa avy mihaino :-) 

New stream for Radiovazogasy.com

2009-10-31 @ 06:23 in Serasera.org

Taorian'ny namindrana ny serveur-n'ny radiovazogasy.com dia nisy vitsivitsy ireo nitaraina fa tapatapaka foana ilay radio. Koa amin'izao dia nohavaozina sy nohatsaraina ny toerana mamoaka feo ao amin'ny Radiovazogasy.com, na ilay antsoina hoe Streaming server.

Tokony handeha malaky kokoa amin'izay ilay toerana fihainoana ny Radiovazogasy mivantana tahaka ity eto ambany eto ity. 

 

Marihina fa raha sendra voasakana tsy afaka mihaino Radiovazogasy ianao any amin'izay misy anao any dia azonao sokafana amin'izay fihainoana mozika (Player) anananao ny adiresy http://stream.radiovazogasy.com (mampiasa port 80)

Novelomina indray ilay Live Chat ao amin'ny namana.serasera.org

2009-10-30 @ 10:10 in Serasera.org

Tany ampiandohan'ny volana oktobra, nandritra ny fanandramana ny http://namana.serasera.org dia nisy resaka mivantana tao. Izany hoe rehefa misy an'ilay  eo alohan'ny solonanarana dia io no tsindrina mba hahafahana mifanoratra mivantana amin'ilay namana.

Vao nanomboka napetraka ofisialy anefa ilay izy dia nivika tanteraka ny serveur fa tsy nahazaka koa voatery najanona aloha nitadiavana vahaolana maharitra.

Amin'izao dia azo atao hoe nohafainganina kokoa ny serveur ka azo andramana mandritra ny herinandro eo indray aloha ilay resaka mivantana mandra-pitady teknolojia hafa izay maharitra kokoa.

Amin'izao dia ny namana nifidy anao ho namana manokana ihany no afaka iresahanao mivantana. Tsy ireo namana nofidinao ho namana fa ireo namana nifidy anao ho namana (marihina tsara). Matoa izany ianao mahita an'ilay sary kely  eo alohan'ilay solonanarana dia efa nifidy anao ho namana iny olona iny ka azonao iresahana mivantana.

Hitako koa fa mampiasa ajax-chat koa ny RTA.mg :-)  Mitovitovy ihany ny teknika ka ho hitako eo koa ny havesany.

Tantara vokarin'ny Radiovazogasy

2009-10-26 @ 08:05 in Serasera.org

Araka ny fandaharana ao amin'ny Radiovazogasy.com dia hisy tantara isaky ny alarobia voalohan'ny volana sy fahatelon'ny volana amin'ny 8 ora sy sasany alina. Ny mampiavaka kely ity indray mitoraka ity dia namana vitsivitsy ao amin'ny serasera ihany no hamelona ny tantara. Izay voaantso aloha no efa mikofokofoka ao fa mbola maro ireo nanolo-tena no mbola vao hifandaminana ho amin'ny volana manaraka. Raha ohatra moa ka mbola manam-paniriana ny hanatevin-daharana ianao dia azo atao ny mifandray amin'ny [email protected] mampindrana ny feonao. 

Ao Paris ao amin'ny StudioDiffusion.com no anaovana ny fakàna feo ho an'izay mazoto sy afaka amin'izany. 

Raha toa koa ka manana tantara voasoratra ianao, na tantara efa voarindra dia vao mainka tsara fa mifandraisa hatrany amin'ny [email protected]  

Izay folo taona izay

2009-10-08 @ 20:49 in Serasera.org, Eritreritra mandalo

Dia naverimberina tetsy sy teroa fa feno 10 taona ny serasera. Dia nanao hetsika be na ny taty Eoropa na ny tany Dago tamin'ny 2 sy 3 oktobra teo ho fanombohana ny fankalazana. Nahafinaritra daholo ny fankalazana. Ambondrona no tao Parisy, Vontovorona ny tany Madagasikara. Fa tsy ho hay ny tsy hanao jery todika fohy dia fohy... tsy dia mpijery todika tokoa aho fa mpibanjina ny eo anoloana.

 (tohiny)

Ny seraserako maraina

2009-07-27 @ 08:45 in Serasera.org, Eritreritra mandalo

Angamba tsy dia mahaliana anareo fa toa izao ny zavatra ataoko isaky ny manokatra ordi maraina aho. Mazava ho azy vao misokatra ny ordinatera-ko dia ny site serasera.org no jereko voalohany. Tsy nataoko tonga dia misokatra satria matetika ato ampiasana aho no manokatra internet vao maraina, ka soratana mihitsy. Amin'izao moa efa natambatra ao amin'ny http://serasera.org ny famintinana ny zavatra vaovao rehetra ao amin'ny serasera ka manao jery tamba-be azy rehetra hatrany ambony ka hatrany ambany aho aloha. Fa anisan'ny jereko sy manintona ahy ilay hoe "Tononkalo vaovao" ery ambany havanana ery, izay misy ny tononkalo vao tonga. Tsy maintsy voasintona hamaky tononkalo eo foana aho. Manokatra tononkalo anakiray dia avy eo miverina mamaky ny tononkalo hafa. Indraindray mahavita mamaky tononkalo hatramin'ny 10 aho (ilay hoe tononkalo be mpitia eo amin'ny http://vetso.serasera.org) vao mijanona.

Eritreritra nandalo fotsiny... hilazako hoe mamaky tononkalo aho :-p

 

Ny avatar no fototry ny olana omaly: voahitsy

2009-06-15 @ 22:53 in Serasera.org

Efa nampoiziko ihany hoe hivika ny serveur vokatry ny avatar satria isaky ny mitranga ny sary anakiray dia misy query mysql vitsivitsy. Mandalo controller sy model normal mantsy ilay avatar dia miantso queries amin'ny database na dia tsy ilainy akory aza. Tsy ilainy satria efa en cache daholo ny sary aorian'ny nanamboarana azy. (tohiny)

xxx tehiriziko ato

2009-05-02 @ 10:33 in Serasera.org

Efa 6 taona izay no nisian'ny forum.serasera.org amin'izao endriny izao... izany hoe nisy xxx.
Efa imbedia be no nisy resaka hoe esorina ve ny xxx (ilay hoe Tsy lazaina) sa tsia.
Efa nandramana nesorina ny xxx nandritra ny 1 volana tamin'ny roa taona.
 (tohiny)

When I find myself in times of trouble

2008-12-22 @ 10:02 in Serasera.org

[begin: sermonina]

Misy fotoana roa tena ahatsiarovana an'Andriamanitra... rehefa tena latsaka iny sy ilay rehefa tena mahita fahagagana. Ny fotoana eo antenantenany ohatra ny tsy dia mahatsiaro loatra. Rehefa sendra voakapoka mafy ny olona ka mitady izay hianteherana etsy sy eroa, (amin'ny film aloha no tena hitako :-)) dia farany miteny hoe "Mbola tsy nivavaka mihitsy aho, Tompo, fa androany aho mitodika aminao"... Tahaka izany koa, rehefa tena misy zavatra tsara, tsy hay izay antony, mitranga eo amin'ny fiainana dia tonga saina tampoka "misaotra an'Andriamanitra"...

 (tohiny)

Ohabolana malagasy 4114

2008-12-18 @ 08:16 in Serasera.org

Misoko mangina, mitombo tsikelikely ihany ny ohabolana voatahiry ao amin'ny takelaka Ohabolana malagasy (ohabolana.org). Mahatratra 4114 izy amin'izaho mijery izao. Noezahina tsy hisy ohabolana miverimberina, kanefa moa eo ihany ny olana momba ny ohabolana iray izay samy manana ny filazany azy, ary eo koa ny diso tsipelina. (tohiny)

Serasera tao Paris

2008-11-28 @ 10:07 in Serasera.org

Elaela tsy niblaogy dia hatramin'ny sary tany amin'ny fihaonana tany Paris avy no tsy voapetraka teto. Koa dia iny ary ny sary bambaray tamin'ny ankizy maromaro, apetraka eto ho fijerijery. (tohiny)

Serasera: Ao Paris indray amin'ny 15 novambra 2008

2008-10-29 @ 22:11 in Ankapobeny, Serasera.org

Dia raikitra izany fa ao Paris indray no hihaona ny Namana Serasera Eoropa amin'ny  15 novambra 2008. Koràna no hatao amin'io. Jereo eto ny filazana ofisialy izay napetraky ny namana mpikarakara.

Mahafinaritra foana ny mihaona amin'ny namana serasera ivelan'ny virtualy. Manjary misy fifankahazoana am-po sy lasa tena mpinamana. Efa imbetsaka ihany no nisy fihaonana toa izao tao Paris, telo no efa natrehako fa ny hafa tsy tratra. Nisy koa tany Nice fa tsy tratrako. Nisy indroa koa teto Roma. Ary ny any Madagasikara dia matetika mihitsy. 

Raha toa ka mahaliana dia azo jerena eto ny sary sy ny ambiansy tamin'ny herintaona.

Dia any indray izany mihaona e.

Ampio ny serasera.org

2008-10-28 @ 22:40 in Serasera.org

Nisy bandy izay, angamba lanaky ny totoafo amin'ny fangatahana fanampiana ho an'ny serasera.org, dia nahavatra niteny mihitsy hoe: "Izahay rehefa manao site tsy mba hangataka etsy sy eroa." Tsy haiko aloha na niova adiresy ilay site-n'i leiry fa tsy hitako popoka intsony. (tohiny)

Sarintava ao amin'ny serasera

2008-07-08 @ 00:31 in Serasera.org

Dia vita androany ny andrana momba ny fampiasana sarintava eto amin'ny serasera. Amin'izao fotoana izao dia ny forum ihany no misy azy fa hiitatra eo anivon'ny takelaka mampiasa solonanarana serasera iray manontolo. (tohiny)

Fete de l'internet an-tsary

2008-06-29 @ 14:41 in Serasera.org

Tonga dia efa apetrako eto ny sary vitsivitsy nandritra ny fete de l'internet omaly sy androany nandraisan'ny Telomiova / Jojopil / Serasera / Infogasy anjara.  (tohiny)

Serveur Vaovao RVG

2008-06-11 @ 10:06 in Serasera.org

Mandeha nanomboka androany maraina ny Serveur iray vaovaon'ny RVG. Avo roa heny mihoatra noho ilay teo aloha ny tanjak'io serveur io. Ny RVG moa dia mipetraka anaty serveurs dédiés roa ka ny iray serveur misy ny encodeurs sy ny fitaovana ho an'ny DJ, ny iray kosa misy ny Base sy ny Stream ary ny Serveur Web.

Amin'izao dia efa voafehy tsara ny fifindrafindrana serveur ary voafehy ho ao anatin'ny 30 segondra ny fahatapahana raha be indrindra. Ny mpihaino aza dia tsy mandre fahatapahana akory satria tonga dia mi-basculer ny IP (mampiasa IP fail-over).

Misy fikasana vitsivitsy tiana hatao mandritra io vakansy io (vakansy sisa no fotoana malalaka). Anisan'izany ny fanatsarana ny momba ny fandaharana hira. Hisy koa angamba ny version light-n'ny RVG... Wait and see.

Serveur Vaovao RVG

2008-06-11 @ 10:06 in Serasera.org

Mandeha nanomboka androany maraina ny Serveur iray vaovaon'ny RVG. Avo roa heny mihoatra noho ilay teo aloha ny tanjak'io serveur io. Ny RVG moa dia mipetraka anaty serveurs dédiés roa ka ny iray serveur misy ny encodeurs sy ny fitaovana ho an'ny DJ, ny iray kosa misy ny Base sy ny Stream ary ny Serveur Web.

Amin'izao dia efa voafehy tsara ny fifindrafindrana serveur ary voafehy ho ao anatin'ny 30 segondra ny fahatapahana raha be indrindra. Ny mpihaino aza dia tsy mandre fahatapahana akory satria tonga dia mi-basculer ny IP (mampiasa IP fail-over).

Misy fikasana vitsivitsy tiana hatao mandritra io vakansy io (vakansy sisa no fotoana malalaka). Anisan'izany ny fanatsarana ny momba ny fandaharana hira. Hisy koa angamba ny version light-n'ny RVG... Wait and see.

Tetikasa Telomiova: Lasa izao

2008-01-05 @ 12:54 in Serasera.org

Tamin'ny volana Oktobra 2007 dia navoaka tamin'ny blaogy sy takelaka maromaro ny "Antso ho fampiroboroboana ny aterineto any Madagasikara". Niseho tao amin'ny Gazety Madagascar Tribune izany ary nifampidinihana tao amin'ny Forum serasera.org. Taorian'izay dia nisesy ny fivorian'ny mpi-blaogy vitsivitsy ny ny tao amin'ny fikambanana Namana Serasera Dago nandinihana ny mety hatao ka teraka tamin'izay ny Tetikasa Telomiova(tohiny)

Namana.serasera.org - Dimy taona izay

2007-09-28 @ 14:50 in Serasera.org

Raha tamin'ny 3 oktobra 1999 no nanombohan'ny serasera dia telo taona taty aoriana (ny 19 oktobra 2002) vao tafatsangana ny takelaka namana.serasera.org izay natao indrindra hifandefasana hafatra sy hitadiavana namana. Nandritra ny telo taona voalohany nisian'ny serasera dia mbola resaka email no nifandraisana. Ny takelaka tononkira koa no vita aloha sy nahamaika.

Tamin'io 19 Oktobra io ary dia navoaka ho hitam-bahoaka ny takelaka namana.serasera.org. Mazava ho azy fa izaho no nisoratra anarana voalohany :-) dia nisy ankizy vitsivitsy akaiky ahy koa (izay niala dia avy eo niditra dia tsy voatahiry ny momba azy taloha). Tapa-bolana taty aoriana dia 55 no isan'ny namana (aza mihomehy). Dia noezahina nohatsaraina teny foana.

Amin'izao fotoana izao dia mahatratra 22.000 eo ho eo ny namana ary mitombo hatrany.

Misaotra anao nanaiky ho namana... dia maniry ny hitohizan'izany hatrany.

Tsy tokony mba hisy hetsika vitsivitsy ve amin'io volana oktobra io ? Haninona anefa :-)

Toa izao ny fitantarana ny zava-nisy tamin'izany fotoana izany.

 

19-Oct-2002 Nampidirina androany tamin'ny lohamilina ny namana.serasera.org
Hita anefa fa mbola misy olana be dia be... ezahina amboarina ao anaty fotoana fohy...
Tsy mitovy ny configuration'ny windows-ko localhost sy ny an'ny ovh ka io!!
  Amin'ny 22:12 izao kanefa mbola tsy activé ihany ilay sous-domaine. Mbola tsy mandeha izany ilay http://namana.serasera.org fa ny mandeha dia http://www.serasera.org/namana ...
Mila fanandramana
Mila fanandramana
20-Oct-2002 Efa opérationnel angamba ity site ity amin'izao fotoana izao an.
Mitady soso-kevitra hatrany (jereo etsy ankavia hoe sosokevitra).
Dia mitady namana koa :-)
21-Oct-2002 Nampidirina ny compteur avy amin'ny thecounter.com
Nasiana Stat avy amin'ny eStat ihany koa...
12 ny manandrana misoratra anarana fa tsy nanao an'ilay hoe ataovy ho azo tadiavina...

angamba tokony atao checked par défaut iny
  <b>Valim-panontaniana manitikitika</b>
Raha toa ka tianao ho hitan'ny olona ny anaranao sy ny mombamomba anao dia tsy maintsy fenoina ilay tapany faharoa amin'ny Ny momba ahy.
Mandehana etsy ampita amin'ilay hoe Ny momba ahy...
  Ok. Mandeha amin'izao ny sous-domaine namana.serasera.org
Azontsika andramana amin'izay...

Misaotra

22-Oct-2002Raha misy olana hitanareo anie ry 'reto dia alefaso etsy amin'ny soso-kevitra a!
Mba mitarainà moa e!

Heriniaina
23-Oct-2002 Hitako fa misy erreur kely rehefa manokatra ny page... javascript error io. avy amin'ilay compteur.
Hovaiko rehefa rahalina fa mbola vao reraka avy niasa aho izao.

25-Oct-2002 Nisy tsy nety kely teo... rehefa tsy misy votoatiny ny hafatra dia tsy azo nosokafana mihitsy...
Amin'izao dia efa mety, soloina hoe --- tsy misy --- rehefa tsy misy hafatra

Ianareo ho'aho mba milazà raha misy zavatra tsy mety... alefaso etsy amin'ilay hoe soso-kevitra.

Misaotra betsaka


  Efa azo atao amin'izao ny mamaky ny hafatra nalefanao tamin'ny olona... [Ny hafatra lasa]

  Amin'ny lisitry ny namana rehetra (na ny vokatry ny fitadiavana namana) dia mitranga koa ny solon'anarana. Raha tsindrina ny solon'anarana dia tonga dia mitranga ny fanoratana hafatra ho an'ilay namana...

Mety tsara kah

-
31-Oct-2002 Manahoana,

Mitombo ihany ny namana.
Eto Toliara aho izao ary mandeha tsara ny namana.serasera.org avy eto.
Misy hevitra vitsivitsy hotanterahina rehefa tafaverina any Tanà...

Ok

 Hafanana izany mba marina mafy :-(

Hitako fa maro ireo namana voasoratra anarana (55 androany) kanefa ny 15 tsy nanaiky ho namana.

Azo atao foana ny manaiky ho namana rehefa avy eo... jereo ilay hoe [Ny momba ahy] dia jereo ao hoe asehoy anatin'ny lisitry ny namana.

Ao koa no azonao hanitsiana ny mombamomba anao.

Mazotoa indray.

Hery
04-Nov-2002 Mbola mihitsoka aty Toliara ny oebimasitera ka rehefa tonga any Tanà amboarina izay mbola tsy metimety tsara.

Ary 'nareo moa r'ireto mba mametraha sary a! Misaotra an'izay efa sahy

 

 

Namana version 5...

2007-05-29 @ 16:04 in Serasera.org

Tsy dia mahafa-po ny endriky ny namana kinova faha 5 (tsy ratsy koa ilay hoe kinova noho ny tao). Ho hita eo ny hanavaozana ny endriny.

Fa ankoatry ny endriny dia novaina ny rafitra anatiny, indrindra ny resaka angona (base de données). Misaraka tsikelikely amin'ny serasera amin'ny ankapobeny ny takelaka namana.serasera.org. Raha sendra mavesatra tampoka izy amin'izao dia mora ny mamindra azy ho serveur iray manokana.

Lazaiko tsikelikely etsy ambany ny fanovana.

 

  • Endrika mifangaro
    Avy amin'ny endriky ny malagasy.it sy ny katolika.org ary radiovazogasy.com no nakàna ny endrika. Ny tanjona dia ny fahafahana manova ny endrika amin'ny fomba tsotra (CSS ovaina fotsiny sisa)
  • Solaitra kinova farany
    Mampiasa ny solaitra kinova farany (rev. 498) ny takelaka namana.serasera.org amin'izao fotoana izao. Moramora kokoa noho izany ny manavao azy isaky ny misy fiovana ao amin'ny fototry ny solaitra
  • Mitovy firindra amin'ny takelaka serasera hafa
    Koa satria efa mitovy ny fitaovana fototra ampiasaina dia tsy misy olana intsony eo amin'ny fifampizarana session. Rehefa identifié amin'ny forum ohatra dia identifié ao amin'ny namana koa fa tsy voatery mampiditra tenimiafina intsony.
  • Miantehitra amin'ny webservice
    Hiantehitra amin'ny webservice (SOAP sy REST) mba hahafahana mametraka ny site iray amin'ny serveur maromaro raha sendra be loatra ny mpampiasa.

Vetso: kajikajy momba ny isa

2007-04-24 @ 10:52 in Serasera.org

Iaraha-mahita fa mbola tsy mirindra tsara ny fikajiana ny isa azon'ny tononkalo ao amin'ny vetso.serasera.org satria amin'izao raha vao omen'ny namana 1 isa 5 dia mahazo isa 5 avy hatrany (100%) ary tonga dia lasa ambony indrindra. Koa manana eritreritra toa izao aho momba io isa io. (tohiny)

Nohavaozina ny Radiovazogasy.com

2007-03-07 @ 21:16 in Serasera.org, Informatika

Vita sy naseho vahoaka androany ny Voatra hafa 4 (Version 4)-n'ny takelaky ny RadioVazoGasy.com. Antenaina fa hisy fahatsarany eo amin'ny hafainganana indrindra indrindra. Io no takelaka mampiasa ny Solaitra voatra farany indrindra eto amin'ny serasera ary angamba ato ho ato dia hanaraka azy koa ny takelaky ny namana.serasera.org sy ny hafa. (tohiny)

Sakana etsy Sakana eroa

2007-02-06 @ 18:05 in Serasera.org

Vao avy nampidirina indray ny sakana tsikera ao amin'ny serasera.org. Izany mantsy no mbola tsy maintsy atao ho an'ny sasany ao amin'ny serasera. Raha vao tsy sakanana dia manao abus.

Manomboka androany izany dia azon'ny tompontsary sakanana tsy hametraka tsikera koa ny namana. Teo izy dia azony fafaina fotsiny fa amin'izao dia azony sakanana mihitsy.

Ary raha toa moa ka aseho amin'ny statistika mihitsy hoe iza ny namana tena be mpisakana? :-) ho hitan'ny havany eo 

Mihaino Radiovazogasy eny an-dalana

2006-09-19 @ 08:10 in Serasera.org

Navoaka androany indray izany ny Radiovazogasy off-line (prêt-à-porter). Io dia mba hahafahana mihaino ihany koa ny Radiovazogasy n'aiza n'aiza misy anao. Izany hoe nasiana fichiers maromaro (roa aloha amin'izao) izay noraisina tao amin'ny hira mandeha mandritra ny adin'ny iray isan'isany azo alaina ao amin'ny Radiovazogasy.com. Eo amin'ny 20MB eo ny fichier iray. Rehefa manana an'io izany dia mba ohatr'ireny mihaino Radiovazogasy ireny koa na dia tsy en direct aza.

 (tohiny)

Ajax faharoa: Hafatra farany

2006-09-01 @ 11:12 in Serasera.org

Ny nampiasana ajax faharoa eto amin'ny serasera.org indray dia ny fampisehoana ny hafatra farany nandeha tao amin'ny forum ho eo amin'ny takelaka fandraisana ao amin'ny namana.seraser.org. Hevitra efa ela be naroson'i fraz izy io fa izao vao vita noho ny fotoana. Ankoatr'izay moa dia azo raisina amin'ny alalan'ny RSS izany ny hafatra farany nivoaka tao amin'ny forum. Ny rohy dia azo jerena eto.

Ny ao ambadiky ny ridao

2006-08-25 @ 15:12 in Serasera.org

Izaho matetika rehefa mijery film, mijery theatra, na mijery fandaharana amin'ny télé sns... dia mahaliana be ahy foana ny mijery hoe ahoana ary no tena ataondry zareo ao ambadika ao... any ambadiky ny ridao.
 (tohiny)

Mandroso Google... zah kou.

2006-08-24 @ 10:06 in Serasera.org

Efa elaela aho tsy nijery ireo services natolotr'i Google noho ilay izy tsy actifs daholo. Rehefa misoratra anarana dia lazainy hoe hilazana ianao rehefa vonona ny tolotra. Anisan'izany ohatra ny Google hosted sy ny Google analytics.
 (tohiny)

Video Fihaonana Roma

2006-08-23 @ 17:03 in Serasera.org

Tonga soa amantsara ny video avy tany amin'i Ralay (izay isaorana be dia be) mitantara ny fihaonana teto Roma. Sombiny ihany no hapetraka eto.
 (tohiny)

Namana serasera eto Roma

2006-08-03 @ 14:14 in Serasera.org

Dia tonga araka ny fandaharam-potoana ny namana vitsivitsy avy ao amin'ny serasera.org. Mbola hitohy ny programa fa dia resaka fifankahafantarana sy fitsenana aloha no nafotaka. Mbola hisy ihany koa ny ho tonga rahampitso fa dia mahafinaritra aloha e.

Server flood: La réponse de vancleef

2006-07-25 @ 21:42 in Serasera.org

Après quelques temps, vancleef a recommencé ses scripts pour flood-er serasera.org. Par respect je ne voulais pas dire son nom dans le premier post à propos de ce sujet. Mais je sais qu'il sait ce qu'il fait et il en a ses raisons... donc maintenant ce n'est plus grave si on le dit tout haut et tout fort pour qu'il s'en explique. (tohiny)

Telo alina

2006-06-13 @ 06:56 in Serasera.org

Fantatrao ve fa teloalina mahery (30.182) no isan'ireo efa nisoratra anarana tao amin'ny namana.serasera.org nandritra izay 3 taona nisiany izay? (Ny takelaka namana.serasera.org dia niforona tamin'ny 2003 fa ny serasera.org amin'ny ankapobeny no tamin'ny 1999)
 (tohiny)

Fihaonan'ny namana: Roma 4-5-6 Aout 2006

2006-06-08 @ 22:08 in Serasera.org

Dia raikitra izany fa hisy fihaonan'ireo namana ao amin'ny serasera.org amin'ny 4-5-6 aogositra 2006. Eto Roma (Italia) no hatao io fihaonana io. Natao indrindra mba hanararaotan'ireo namana hitsidika izany tanana mandrakizay (ville éternelle) izany. (tohiny)

Server Flood: Tratrako ialahy

2006-06-08 @ 00:14 in Serasera.org

Androany vao tratrako ilay bandy (rangahy ) izay nanao server flood tao amin'ny serasera.org hatrizay. Ny anarany (solonanarany) ve moa dia holazaina eto fa mba mahagaga ahy fotsiny ilay izy.
 (tohiny)

Lohamilina dokambarotra nisy olana

2006-06-05 @ 06:47 in Serasera.org

Nihoatra indray ny tosaka tao amin'ny lohamilina doka.serasera.org izay misy ny fitantanana ny dokambarotra rehetra eto amin'ny serasera.org  
 (tohiny)

Serasera nisolo akanjo tsy satry

2006-05-31 @ 03:57 in Serasera.org

Efa ela no saika hanova kely indray ny endriky ny takelaka namana.serasera.org fa tsy nanam-potoana mihitsy. Fa androany dia tena voatery novaina :-) tsy satry.
 (tohiny)

Tsikeran'ny sary ao amin'ny namana

2006-05-03 @ 01:12 in Serasera.org

Noho ny abus izay ataon'ny sasany (tsy mataho-tody :-)) dia voatery nampidirina ho ao anatin'ny mainFrame an'ny serasera.org ny fitantanana ny tsikeran'ny sary. Efa niezaka ihany aho ny nametraka ny tsikera ho any amin'ny toerana hafa (haloscan.com) na dia nandoa vola fanampiny isantaona aza, saingy lasa baranahiny ilay izy dia nampidirina ao amin'ny serasera.org ihany.

Ny olana amin'io dia
- Mitombo indray izany ny bandwidth sy ny space ilaina ao amin'ny namana (izay efa manahirana mihitsy)
- Tsy maintsy mandany fotoana kely aloha handaminana azy (manage comments ataon'ny namana tompon'ny sary... etc) fa izany hoe mbola tsy maika io.

Aleo hoa ho manja ilay revy

"Tsiky dia ampy" 

Lisitra.serasera.org

2006-04-27 @ 21:52 in Serasera.org

Vita tamin'ny alina ny dingana voalohany amin'ny fanavaozana ny takelaka lisitra.serasera.org. Efa ela ihany no naniriako hanavao an'io takelaka io ary efa vonona tao ny modules rehetra hampidirina ao amin'ny solaitra fa noho ny antony samihafa dia izao vao vita. Io takelaka io no azo atao hoe takelaka renin'ny takelaky ny serasera.org rehetra. Io no takelaka nisokatra voalohany tamin'ny taona 1999, dia avy eo ny tononkira, dia izay vao ny namana. Io no anisan'ny fitaovana niasa tamin'ireny fotoana mivaivain'ny 2001-2002 teo amin'ny Firenena ireny. Misy mpikambana mihoatra ny 1.300 ary nanaparitaka hafatra imailaka mihoatra ny 26.000 nandritra izay enin-taona izay. Mbola voatahiry eto daholo ny hafatra rehetra hatramin'ny voalohany.

Lalao serasera.org

2006-04-10 @ 23:59 in Serasera.org

lalao seraseraTaorian'ny fanamboarana ny "joomla component serasera" voalohany dia afaka nanokatra ny lalao.serasera.org aho. Nisokatra nanomboka omaly izany ny takelaka lalao.serasera.org izay hahitana lalao vitsivitsy amin'ny ho avy. Ny lalao efa mitranga ao dia ny Eseky (Jeu d'échec - Chess game) izay ahafahana mifanandrina amin'ny namana hafa. Misy flash games vitsivitsy ihany koa ho an'ireo izay tia jeux solitaires.

Mieritreritra ny hanamboatra game components vaovao aho fa mbola tsy azoko antsaina tsara hoe inona no azo atao. Gasigasy ihany no hitako fa mety hahasoa.

Ampahatelon'ny androko

2006-03-24 @ 14:08 in Serasera.org


IMGP5069
Nampidirin'i heriniaina.
Eto no andaniako ny ampahatelon'ny adroko isanandro. Raha 24 ora ny andro iray dia ny 8 ora amin'izay (na mihoatra aza rehefa tsy manao pause fa manao serasera) dia laniko ato amin'ity birao ity daholo.
Ordinateur anakiroa miampy serveur Windows Server 2003 1GB Ram sy HDD 2 x 250 GB (somary miafina io ambany io dia ilay monitor io ny monitor-ny). Windows daholo :-). Ery amin'iry ordi anakiray iry daholo ny backup serasera ankoatran'ny any amin'ny dedicated server. Io koa no manao ny test rehetra. Ny ordi anakiray tsy hita eto amin'ny sary kosa anaovana ny kandra tsy azo asiana zavatra hafa :-)
Oups, adinoko teo ambonin'ny birao ny rano... mahalany rano 1,5 litatra isanandro :-) (plus si affinité).

Nihoatra ny Bandwidth Radiovazogasy.com

2006-03-24 @ 08:40 in Serasera.org

Dépassée par son propre succès :-)

Izay no azo iantsoana ny radiovazogasy.com androany. Notsinotsinoavina loatra ny resaka bandwidth satria site kelikely ihany kinanjo tapaka rehefa niverimberina ny 800 visites isanandro.

Naka toerana hafa tampotampoka aloha hametrahana azy. Sady mijery koa ny tanjaky NFS.

Ela be vao miparitaka ny dns.

Ny mivantana aloha dia http://radiovazogasy.nfshost.com

Takelaka sy thumbshots

2006-03-23 @ 02:51 in Serasera.org

Nahita hevitra vaovao aho omaly nametrahana thumbshot ao amin'ny takelaka.org. Mampiasa ny WebService-n'ny blogmarks.net ilay izy.

Amin'izao fotoana izao izany, ny takelaka rehetra apetraka ao amin'ny takelaka.org dia manomboka misy thumbshots daholo. Fanampin'izany ihany koa dia tonga dia référenciés any amin'ny blogmarks.net miaraka amin'ny tag hoe takelaka (ankoatran'ny tags izay napetraky ny nampiditra azy ao amin'ny takelaka.org).

Raha maharitra io blogmarks.net io dia mety ho tsara... fa ahiako ihany sahady satria imbetsaka no ahitana olana ny serveur-ndry zalahy.

Jereo eto ohatra ny fivoakany ao amin'ny takelaka.org

7777

2006-03-20 @ 21:53 in Serasera.org

Mba nanaitra ahy fotsiny ny nahita an'ilay 7777 tao amin'ny namana omaly. Isan'ny namana ao amin'ny serasera.org. Raha ny tena izy dia efa nihoatra be noho io (efa ela no ni-dépasser ny 10.000) fa noho ilay hoevoafafa izay tsy mamangy ao anatin'ny 4-bolana dia io sisa.

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry