Facebook Ato Am-Piasana, Tsy Tafa Ny Sakana

hery 31 Aogositra, 2010 09:07 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Fantatrareo ihany moa fa efa am-bolana maro aho izay no tsy mampiasa facebook. Tamin'ny volana febroary tany ho any dia resiko lahatra koa ny tato am-piasana hisakanana ny facebook ato am-piasana. Nojerena mantsy ny statistika tao amin'ny routers ka ny 80%-n'ny sites mandalo ao dia facebook daholo. Ary ny fotoana ampiasana ilay facebook dia amin'ny fotoana fiasàna ny ankamaroany.  (tohiny)

Tahotry Ny Zazakely

hery 25 Aogositra, 2010 14:58 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nisy fotoana elaela izahay tsy nandefa tele satria tsy tongan'ny satellite eny aminay fa ao ambadiky ny tendrombohitra. Nahafinaritra ery ny fiainana tsy nisy télé zany :-) (tohiny)

Manaova Fety Sambatra

hery 26 Jiona, 2010 08:24 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia miarahaba ny Malagasy nahatratra izao faha 50 taonan'ny nanomezana an-taratasy ny fahaleovan-tena izao.

Azo atao tsara ny manao fety na dia tsy  hiaraka sy tsy hanatrika ny fetin'ny HAT aza. Ahoana tokoa moa no hiaraka hanao fety raha tsy olona efa mihavana sy mifankatia? Hanao fety ianao kanefa gadrainy ny havanao, hidiny ny radio fihainonao, samboriny ny namanao... ianao anefa antsoiny hanao fety miaraka aminy.

Miantsoantso fihavanana izy kanefa izy aza tsy manao dingana iray amin'izany akory.

Mety mahavita fety goavana sy makotroka izy. Tsy mampaninona izany satria azy ny vola sy ny bois de roses. Fa ianao kosa raha tsy mankasitraka izay ataony dia aza manaiky ny mena miraviravy. Robarobain'ny mpanana. Aleo ravim-bomanga tsy arahin-dromoromo toa izay sakafo be arahin-datsa.

Tandremo sao ataony fitaovana ianao. Notambatambazany an'izao rehetra izao hanatrika ny fety karakarainy, dia avy eo lazainy eran-tany fa nanaiky sy nakatò azy. Faly ery izy hampiseho sary hoe an'aliny no nanatrika izany... ary anisany ianao.

Koa manaova fety sambatra ary, mba ho tena sambatra tokoa anefa fa tsy arahin'ny feon'ny fieritreretana.


Green Zone

hery 24 Jiona, 2010 23:37 Sarimihetsika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa manomboka miverina mijery film indray izao. Film telo na efatra isankerinandro aloha no tratra. Tamin'iny herinandro lasa iny dia nahafinaritra ilay Green Zone (trailler etsy ambany). Ohatry ny te handresy lahatra hoe tsy nisy fitaovam-piadiana simika izany tany Irak fa fikafika fotsiny iny mba hanesorana an'i Saddam Hussein teo amin'ny fitondrana. Dia terena be fotsiny hoe hisy ary izay mitady hahafantatra ny marina dia faizina.

Hitako tamin'iny herinandro iny koa Micmacs à tire-larigot (2008) miaraka amin'i Dany Boon. Film nahafinaritra na dia efa tranainy sy kidaladala ihany aza. Ary farany ilay film nampihomehy anakiray koa hoe Protéger et servir (2009) miaraka amin'i Kad Merad. Ie, mpilalao mahafinaritra ahy koa rangahy io fa betsaka ny film-ny efa hitako (Bienvenue chez les Ch'tis sy Le petit Nicolas no tena nilay). Amin'ity herinandro ity dia Agora, Prince of Persia, The book of Eli, dia mba asiana fihomehezana kely amin'ilay She's out of my league.


Andrana Sary

hery 21 Jiona, 2010 15:10 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mety ny fampidirana sary ka


1 2 3 ... 73 74 75  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)